Karazana valin-kafatra politika no nataon’ity depiten’i Vavatenina sady filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara teo anivon’ny Antenimieram-pirenena manoloana ireo fanakianana samihafa ho fototra mampikatso ny raharaham-pirenena ka tsy mampivaha ny krizy teto hatramin’izay, ka hatramin’izao.
Nahitsy ny teniny nilaza fa “isika mpanao politika hatrany no fositra eto, koa aza ailika amin’olon-kafa ny olana”. Ary mbola nampiany fa “ny manodidina ny filoha hatrany no ratsy”. Tamberina no nanamafisany izay voalazany ka nilazany fa “Didier tsara fa ratsy iraka”, mantsy ny amiraly Ratsiraka. “Ny manodidina ny Pr Zafy ihany no namotika azy. Nomena enina tapitrisa ariary isanisany ny depiote nampiatoana azy tamin’ny asany”, hoy i Zafilahy. Rehefa niverina tamin’ny fitondrana indray i Radidy dia tsy nanaraka ny baikon’ny Frantsay intsony, ka nivoaka nandresy ho azy i Marc Ravalomanana, saingy dia tao aorianany indray koa ireo olona hatramin’izay ireo. Ny tsy fantatr’ireo fotsiny, hoy i Zafilahy dia olona niainga tamin’ny tsy nisy i Marc Ravalomanana ary nametraka fitsipi-pifehezana, ka tamin’ny taona 2006 no nanomboka nitenenana fa Ravalomanana dia manao ampihimamba. “Rehefa tsy ampy ny vary dia nanantena ireo tia tena fa rehefa miakatra ny vidim-bary dia hanongana ny filoha Ravalomanana ny vahoaka, kanefa soa fa nisy ny Magro. Nametraka ny fanitsiana ara-drafitra izy. Tsy nanaiky an’izay anefa ny mpanao politika, satria efa hita soritra fa tafavoakan-dRavalomanana ny baolina dia ireny fa niaraka tamin-dRajoelina indray izy ireo”. Izay dia tandindon’ny zavatra navelan’ny Frantsay teto, araka ny fanazavany ihany.
Rehefa miala amin’ny tany iray ny Frantsay dia misy ireo olona apetrany izay mandray baiko, ary sady tsy afa-bela no tsy mety tafarina ara-toekarena, izay zanatany frantsay”, hoy i Zafilahy. Nanamafy izany i Ignace nilaza fa “tapi-maso sisa vitan’ny fitondrana FAT tarihin’i Andry Rajoelina fa tsy mbola nisy vahaolana mitombina hamahana ny krizy narosony”. Ny halafosan’ny fiainana kosa no nasian-dRajo teny, ka nilazany tao amin’ny Magro fa “tsy takatry ny volan’ny Malagasy intsony ny vidim-panafody, indrindra fa izany hoe miditra hopitaly, hany ka samy manao dokotera tena ny rehetra nefa ny mpitondra dia afaka mitsabo tena any amin’ny ‘polyclinique’”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.