Politique

Zafilahy Stanislas “Avelao hiverina malalaka eto Ratsiraka sy Ravalomanana”


  • Alarobia 23 Jona 2010

«Na inona na inona fanafenan’ny FAT dia tsy maintsy mivoaka ny marina rehetra sy ny halatra bevava», hoy ny depiote Zafilahy Stanislas omaly tao amin’ny Magro Behoririka.

 «Ampy izay ny famonoan’olona sy ny fanjanahana nataon’ny Frantsay», hoy ihany izy. Fanaronana izany rehetra izany fotsiny ihany no anton’izao fety sy fandrebirebena atao etsy sy eroa izao, araka ny nambarany ihany. Ataon’ny FAT mihitsy izay hahapotika ny firenena, hoy ihany ity olom-boafidy avy ao Vavatenina ary filohan’ny vondrona parlemantera Tiako  I Madagasikara ity. Manoloana izany indrindra dia nanentana ny vahoaka ny tenany “tsy hifaly amin’izao faha-50 taona izao satria tsy maintsy tohizana ny tolona”, hoy izy. Etsy an-danin’izany dia nambaran’i Zafilahy Stanislas ihany koa fa “tsy hiverina mialoha ny 26 jona aza ny filoha Ravalomanana”, tsy maintsy hiverina eto an-tanindrazana ny tenany amin’ny ora tsy ampoizina. “Avelao hiverina malalaka Ratsiraka sy Ravalomanana”, hoy ihany izy dia ho fifidianana mangarahara no hatao dia ho hita izay ho safidim-bahoaka. Ho an’ny dokotera Julien moa dia antony lehibe hanohizana ny tolona ary mbola hijoroana hatramin’izao dia ny fitakiana ny fialan’ny FAT sy ny fanafahana an’i Madagasikara.  

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT