Politique

Yvette Sylla Lasa mpanao politika tanteraka


  • Alarobia 05 Mey 2010


Nirotsaka an-tsehatra eo amin’ny sehatra politika i Yvette Sylla, vady navelan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jaques Sylla. Nanangana fikambanana ara-politika mitondra ny anarana «Madagasikara Mandroso» izy ary nampahafantarina omaly ny fisiany. Nijoro ara-panjakana ny 18 martsa 2010 lasa teo ny fikambanana tarihiny izay manaraka ny fotokevitra repoblikana sy ny fahalalahana demokratika. Na dia tsy mbola antoko politika aza anefa ny «Madagasikara Mandroso» dia handray anjara amin’ireo fifidianana hotontosaina eto amin’ny firenena. Mbola baraingo kosa ny fanolorany kandida mandritra ny fifidianana filoham-pirenena. «Tsy misy afa tsy ny fifidianana rahateo no vahaolana amin’izao krizy izao ka atomboka amin'ny fifidianana solombavambahoaka izany», hoy i Yvette Sylla. Raha ny fanazavany ihany dia miankina amin’ny fahazotoan’ny mpifidy mandatsa-bato no hitsarana raha ankatoavin’ny vahoaka ny fitondrana ankehitriny na tsia. Nambarany koa fa io fifidianana io no hamantaran’ny firaisambe iraisampirenena raha ankolafy tokana ihany no mikarakara izany. Milaza ho efa manana solontena any amin’ny faritra ny «Madagasikara Mandroso” na dia tsy mahenika ny faritra 22 aza. 

Andry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT