Politique

Yves Aimé Rakotoarison Hanangana antoko vaovao ?


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

Nanatanteraka fivoriambe ny elatry ny antoko TIM miara-dia amin’i Yves Aimé Rakotoarison ny zoma 17 jona teo.

 Nivoitra tamin’izany ny hetahetan’ny mpitarika ity elatra ity sy ny mpikambana sasantsany ao, hanova tanteraka ny anarana hisaloran-dry zareo ka hamorona anarana antoko vaovao, izay tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny hiantsoana azy. Araka ny fantatra dia noho ny zava-niseho tany Gaborone farany teo no vao maika nanamasaka ity eritreritra hanangana antoko vaovao ity ka dia izao tapa-kevitra hisintaka tanteraka izao i Yves Aimé fa tsy hialokaloka ao anatin’ity anarana noforonin-dRavalomanana intsony. Ny loharanom-baovao azo antoka no nanambara mazava ny teny tsy afaka am-bavan’ity mpitarika elatra nisintaka tamin’ny TIM ity hoe «olona efa tsy manome lamba hirakofana ve mbola hiraisam-pandriana ihany ?». Na dia tsy nisy fanapahan-kevitra mazava noraisina aza mikasika ity vinavina ity dia fantatra fa nampisahotaka ny mpanara-dia an’i Yves Aimé Rakotoarison tanteraka izy io. Mpifanipaka tanteraka amin’ny foto-kevitra niaingana tany aloha amin’ny fitadiavana fomba hafa ahazoan’ny Filoha Ravalomanana miverina an-tanindrazana izao hevitra vaovao izao, hoy ny feo heno. Fa tsy avy amin’ny anaran’i Dada tokoa ve moa no nialana tao Bel’Air ka nidirana tany Ambohitsorohitra, ka hoe mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ? Izao tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe : nahita akanga tsara soratra ka nanary tanteraka ny akoho taman-trano.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT