Politique

Windhoek, Sandton, Lubumbashi, Ivato Miray feo, mody i Dada


  • Alakamisy 23 Jona 2011

Nifarana tao Lubumbashi ny 21 jona teo rehefa naharitra henemana ny fihaonana an-tampony faha-7 iraisan’i Afrika Atsimo sy Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), izay samy firenena mikambana eo anivon’ny SADC.

 Nisy ny fanambarana iraisana nataon’ny filohan’ny RDC Joseph Kabila Kabange sy ny filoha Afrikanina tatsimo, Jacob Zuma, toarian’ny fivoriana. Miresaka manokana momba ny toe-draharaha eto Madagasikara ny andininy faha-15 ao anatin’ilay fanambarana, manery ny Fahefana avon’ny tetezamita hiverina amin’ny fanapahan-keviny ka hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fivoriana an-tampon’ny SADC, izay azo antoka fa ny natao farany tatsy Sandton Afrika Atsimo na tsy voalaza nivantana aza. Nisy, tsiahivina ihany, ny fanambarana nivoaka ary nampahafantarina ho fanta-bahoaka ary niely eran’izao tontolo izao taorian’io fivoriana an-tampony nataon’ny SADC tao Sandton io ny 12 jona, ary nitovy ny fandraisan’ny mpanao politika sy ny vahoaka tsotra ny zava-boalaza tao anatin’ilay fanambarana, lehibe indrindra amin’izany ny fahafahan’ny sesitany rehetra noho ny antony politika, hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana.

 Tonga tampoka eto Madagasikara hatry ny omaly tolakandro moa ny iraky ny SADC. Ny Dr Leonardo Simao no tonga raha i Joaquim Alberto Chissano, lehiben’ny mpanelanelana no voalaza fa ho avy. Teo am-pahatongavana dia nilaza ity diplaomaty mozambikanina ity fa ny tanjona dia ny hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto mialoha ny hanatontosana fifidianana. Mazava izany fa ny resaka rehetra mivoaka hatreto mikasika ny fandaminana ny krizy dia miombona amin’io fiverenan’ny filoha Ravalomanana io avokoa. Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana ? Eo ireo vondrona politika tsirairay no mety samy hanana ny heviny sy ny fomba fijeriny fa tokana sy tsy iadian-kevitra dia izay tapaky ny fihaonana an-tampon’ny SADC ihany no tanterahina. Dr Leonardo Simao moa raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teo am-pahatongavana teny Ivato omaly dia nanazava fa ny mikasika io fiverenan’ny filoha Ravalomanana io sisa no hitondrana fanovana ao amin’ilay sori-dalana vita rangopohy, fa efa ao anatin’ny fampiharana ny resaka hafa. Araka ny filazany dia tsy hisy fanovana intsony ny governemanta, etsy ankilany anefa dia milaza indray izy fa hihaona amin’ireo ankolafy politika amin’izao diany izao, indrindra ny ankolafy Ravalomanana, izay zavatra mifanohitra ihany ary manampy trotraka ilay volavolam-panitsiana nalefan’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, ny Dr Tomaz Augusto Salomão.

 

Jean D. sy Soa

 

Sary : Ny filoha Afrikanina tatsimo, Jacob Zuma (ankavia) sy ny filohan’ny RDC Joseph Kabila Kabange tao Lubumbashi

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT