Politique

Vyvato Rakotovao «Olana politika io, ary ny vahaolana dia politika»


  • Alarobia 09 Jona 2010

Ny raharaham-pirenena ankapobeny, ny krizy politika sy ny vahaolana hivoahana amin’izany. Maneho ny ny heviny momba ireo Rakotovao Vyvato, tanora, mpanao politika ary mpandraharaha ihany koa. Tafatafa tamin’ny Tia Tanindrazana.

Tia Tanindrazana (T.T) : Miarazoka efa ho 15 volana izao ny krizy, ahoana ihany izy ity fa sempotra ny Malagasy ?

Rakotovao Vyvato (R.V) : Nianjady tamintsika Malagasy nandritra ny 15 volana izao ny krizy politika, tsy mbola nisy ohatr’izany teto hatramin’izay. Fahavoazana goavana ho an’ny firenena sy ny tanindrazana izany, ary raha mbola Malagasy monina eto dia samy mahatsapa ny ngidiny avokoa ary efa mihatra isan-tokantrano ny voka-dratsin’ny krizy. Izahay dia manambara hatrany hatrany fa olana politika io, ary ny vahaolana dia politika ary isika Malagasy no tompon’andraikitra amin’izany.

 
T.T : Betsaka ihany izay nambara fa vahaolana izay nefa toa tsy tafavoaka ihany isika ?
R.V : Ny tsy mahatonga lavorary ny fifanarahana efa vita sonia sy nifanekena dia ny fifamitahana sy ny fihatsaram-belatsihy misy eo anivon’ireo mpanao politika, indrindra eo anivon’ireo mpitarika ny ankolafiny efatra. Fa raha tena nifanaja sy nifampatoky tokoa izy ireo tsy nitatra tahaka izao ity krizy ity. Hita mazava izao fa tsy hifandefitra sy tsy hifanetri-tena izy ireo fa ny hifampiandry kendritohana sy hifamaly no hita.
 
T.T : Koa raha hifanenjana eto, hisy raharaha ho vanona ?
R.V : Raha olombelona tokoa ka vonona ny hamintram-pihavanana dia tokony hifanatrehana tsy ankiafina ny zava-misy. Raha toa ka tena fampihavanam-pirenena marina no katsahina dia tsy maintsy misy ny fifamelana eo amin’ny mpifanandrina. Ny fifamelana anefa tsy azo atao raha tsy efa vita ny fifamelana heloka sy ny fibebahana. Lalana tsy maintsy hodiavina ireo ary raha vonona tokoa hanao izany dia ilaina dieny izao ny fandinihin-tena eo amin’ny tsirairay.
 
T.T : Aiza marina ary raha izany no lalan-kivoahana amin’izao krizy manempotra izao ?
R.V : Misy amin’izao fotoana izao ny fikambanana sy ny fiangonana miezaka ny mampihaona ireo mpifanandrina ara-politika, tsy misy maharatsy izany. Ilaina tokoa ny fihaonana, amin’ny fomba ahoana moa no ahafahana mifandinika sy mitady vahaolana raha toa ka tsy hihaona ny ankolafiny sy ny mpifanandrina. Raha tena hitady hevitra amahana olana dia tsy misy afa tsy ny fihaonana, raha tena mahatsapa tena fa tompon’andraikitra tokoa dia aleo mihaona mba hifandamina.
 
T.T : Tsy maharesy lahatra ny maro anie ny mpikarakara fa toa miandany e ?
R.V : Tsy ny mpikarakara no hotsaraina, mila deraina aza ireo, fa ny hevitra no hifampidinihina sy hifanakalozana, tokony hoporofoina ny tena fitiavan-tanindrazana mba ho fanavotam-pirenena. Fitiavana ny mpiray tanindrazana tokoa ve no marina sa fitiavan-tena ? Raha tena tena tia tanindrazana dia katsahina foana na aiza na aiza ny toerana hihaonana.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT