Politique

Vovonana mampiray Nanao rodobe tany Ivato-Vohipeno


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Tonga ny fotoana amin’ny fametrahana ny fanorenana ara-panahy sy ara-moraly eto Madagasikara, hoy ry zareo ao amin’ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara » tarihan-dRtoa Arlette Ramaroson mpitsara iraisam-pirenena teo aloha.

 Mifototra amin’io fanorenana ara-panahy sy ara-moraly (refondation spirituelle et morale) io ny ady amin’izao kolikoly avo lenta sy izao fahasimban’ny fiarahamonina malagasy izao, hoy izy ireo ka tamin’ny alatsinainy 17 aprily 2017 dia tonga namangy sy nanome voninahitra ny Ampanjaka Ndrenogny Ramahasitrakarivo mivady tao amin’ny Lapa Fenovola Ivato – Vohipeno ireo solontenan’ny Birao Nasionalin’ny « Vovonana Mampiray » notarihin’ity filohany ity. Niara-niombom-bavaka ka nidera sy nisaotra an’Andriamanitra ary nangata-pitahiana ho an’ny tanindrazana iombonana ary amin’ny hananganana fiangonana iray ao Ivato Vohipeno, araka ny fangatahan-dRtoa Ndrenonivavy Ravelonirina Lydia Fenovola dia Mpiandry notokanana tao Ankaramalaza ary mivavaka ao amin’ny fiangonana Loterana Voasary – Ivato Vohipeno, ny vahiny sy ny mpiara-miasa amin’ny Ampanjaka sy olona marobe nandray. Mitsoka sady miala avy any atsimo atsinanana ny fametrahana ny fanorenana ara-panahy sy ara-moraly eto Madagasikara izay « Andry lehibe » ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara. Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy izao. Tsy nitazam-potsiny izao fahoriana sy fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka Malagasy izao sy ny   faharavan’ny fiarahamonina ny zanaky ny Fiangonana Kristianina tato ho ato ka manambatra ny hery hanavotana an’i Madagasikara.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT