Efa nilaza izahay fa tsy hiteny raha tsy efa manan-katolotra ny vahoaka Malagasy, hoy ny filohan’ny Vovonana mampiray, Arlette Ramaroson, omaly, tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra.
Tsy vao izahay no nilaza fa latsaka an-katerena ny firenena. Nasian’ny vovonana resaka manokana ny fitoriana napetrak’izy ireo tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny raharaha Antsakabary satria jerem-potsiny ireo polisy 42 nisambotra olona namono polisy roa tamin’ny 18 febroary ka nahavita nandoro ramatoa 87 taona sy trano miisa 504 ary fiangonana iray. 1.465 no traboina ny 22 febroary. Mangina tanteraka koa ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Nanao antso avo ny vovonana ny hisian’ny loabary an-dasy nasionaly ho vahaolana. Nangataka fihaonana tamin’ny filoham-pirenena izy ireo omaly ary hangataka fihaonana ihany koa amin’ny mpanohitra, ny tafika ary ireo sendika isan-karazany mba hisorohana ny ady an-trano.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.