Politique

Vovonan’ny fikambanan’ny mpiaramonim-pirenena “Tsy izay mety amin’ny mpitondra akory no atao eto”


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Tafatsangana ny vovonan’ny fikambanan’ny mpiaramonim-pirenena izay ahitana ny Una–Civil sy ny CRS-AN tarihin-dRtoa Blanche Nirina Richard.

Efa am-polony taona moa no nisy ny Una –civil saingy izao vao nametraka ho ara-dalàna ny fitsanganany raha ny fanazavan’Atoa Ramaroson André. Mijoro hamerina amin’ny laoniny ny fiarahamonim-pirenena ity farany izay mahatsapa fa tsy mijanona amin’ny maha elanelam-pahefana sy tsindrilentam-pahefana ny namany sasany fa manana fiadiana manoloana izao krizy politika izao. Manoloana ny raharaham-pirenena indrindra dia mahatsikaritra ity vovonana ity fa toa mitady hivaona ny FAT amin’ny alalan’ny fametrahan’i Andry Rajoelina volavolan-dalàmpanorenana hodinihana mandritra ny fikaonandoham-pirenena. “Samy nanova ny lalàmpanorenana araka izay mifanandrify amin’ny tombontsoany ireo filoha taloha ka aoka amin’izay mba tena hisy fiovana tokoa amin’ny fananganana ny Repoblika faha-4. Tsy izay mety amin’ny mpitondra akory no atao eto amin’ny firenena”, hoy hatrany Ramaroson André. Handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena moa ny vovonan’ny fikambanan’ny mpiaramonim-pirenena izay hiezaka handresy lahatra ny mpizaika momba ny fehin-keviny dia ny fankatoavana sy ny fanatontosan’ny  fanjakana ny Dina Velirano sosialy sy ny Dina repoblikana ho an’ny mpanao politika. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT