Anjaran’Avaradrano indray no nanatanterahan’ny VOT (Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ara-dalŕna) ny hetsika fanentanana narahina fampitam-baovao sy fifanakalozan-kevitra natao ny sabotsy 08 desambra teo.
Hita soritra teny amin’ny vahoaka fa tsy foana ny fanantenan’izy ireo ary matoky ny herin'Andriamanitra fa tsy maintsy mandresy ny marina ary tsy maintsy tafita ny tolom-bahoaka hamerenana ny ara-dalàna sy ny fodian’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary ny firotsahan-kofidiny satria manerana ny Nosy mihitsy ankehitriny ny vahoaka mitaky ny fodiany sy mila azy hanafaka sy hanavotra ny tanindrazana izay efa latsaka an-katerena. Nananamafy ireto vahoaka tao an-toerana ireto fa hijoro hatrany ary tsy hangina manana ny rariny. Mitohy ny tolona !
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.