Politique

Vontovorona Sonia mitety vohitra no niafarany


  • Zoma 03 Septambra 2010

Tsy nisy toy ity izay nanaovana. Fitanana an-tsoratra no niafaran’ilay fifampidinihana teny Vontovorona raha fifanarahana politika no nandrasana. Vokany, lasa sonia mitety vohitra toy ireny fanangonan-tsonia fanaon’ny mpanao politika rehefa hanongana mpitondra ireny no mandeha ankehitriny.

Mampahatsiaro ny nataon’ny depiote tao Tsimbazaza ka nampiatoana tamin’ny asany ny filoham-pirenena Zafy Albert, sy ny nanonganan’izy ireo koa an’i Lahiniriko Jean filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tany Vontovorona no nivory dia entina mitety an’Anosy, Ambohidahy ary Betongolo ny taratasy fitanana an-tsoratra hosoniavina. Amin’izay, tsy atrehin’ny CNOSC izay nampiantso fivoriana teny Vontovorona akory ary tsy hitan’ny iraky ny mpanelanelana iraisam-pirenena ankory. Tsy mbola nisy toy ity izay nanaovana. Mba mpanao politika ihany anefa no teny raha tsy hoe nitsangantsangana sy niala voly angaha ka manao sonia izay afa-po tamin’ny fandraisana sy fikarakarana. Araka ny efa nanampoizana azy, dia io fa tsy mifampatoky intsony. Mipatitaka ny tao Escopol, ny sasany nanao sonia, ny hafa midongy tsy manao fa hoe tsy tenierana io fa ny teo ihany no teo. Sahiran-tsaina hatramin’i Andry Rajoelina. Izy ireo izay nifanaraka telo herinandro lasa izay, teny Ivato teny tamin’ilay sonia ny fifanarahana politika, nankalazaina natao nitalakotroka ny 13 aogositra 2010.

Telo herinandro aty aoriana, inona no teo ? Manta mohaka ny nahandro. Novaina indray aza ny fangarony. Novaina mba tsy hilazana fa notsipahina indray ny efa nosoniavina, hany ka nitsaha-ketrika ny hafanampon’ny mpomba ny FAT. Hany herin’i Andry Rajoelina dia namoron-javatra teny Antsonjombe teny omaly tamin’ny fametrahana vato fehizoron’ny asa fanamboarana toerana fanaovana fampisehoana zavakanto mba hanakonana ny fahavoazana sy ny fahafaham-baraka. Maninona raha miaiky rehefa tsy tafavoaka ny baolina fa tsy mifandany andro eto e ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT