Politique

Vontovorona Dinika poakaty


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Nitsaha-niketrika toa sosoa voatapo-drano ireo mpanao politika avy ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika (ESCOPOL) sy ny UDR nandray anjara tamin’ilay fifampidinihana ifanaovan’ny samy mpanao politika, nokarakarain’ny CNOSC teny Vontovorona.

Telo andro no voafaritra teo am-piandohana fa hihaonana, ary diniky ny samy Malagasy izy ity. Zary fankan-drivotra fotsiny anefa sisa no niafarany tamin’ny andro farany omaly, fa tsy nisy zavatra tapaka. Tsy nisy nanaraka izay koa ny sonia nifanaovana, raha niandrandra mafy izany ny ESCOPOL. Mila mandini-tena koa ny CNOSC raha voafehiny koa ny fitarihana dinika toy itony na tsia. Na izany aza dia mazava ny resaka eto ary miharihary indray tamin’iny dinika teny Vontovorona iny fa tsy ilay fihogahogana na koa ny hamaroan’ny mpandray anjara tao mihitsy no zava-dehibe fa ny lenta sy ny lanjan’izany antoko izany manoloana ny fifampidinihana hifanaovana. Toa mampahatsiahy indray ny teny nanome laza ratsy an’i Madagasikara niainga tao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana, ary nanakoako eran-tany, nanomboka ny 24 septambra 2009, manao hoe : “sans qualité” izy ity. Nikiribiby nanohy ny fivoriana ary niezaka nikaondoha tao ireo mpanao politika, nambara fa mananika ny roan-jato, fa ny nahagaga dia tsy nahatapa-kevitra izy ireo, na niezaka ny namadibadika izay vitan’izy ireo sonia teny Ivato ny 13 aogositra 2010 aza.

Ireo Parlemantera nisintaka tao amin’ny Tiako I Madagasikara no natao saribakoly nanaovana dokambarotra nisarihana ireo mpanao politika hafa ho avy teny mba hanomezana endrika ivelany fa mandray anjara avokoa ny mpanao politika ary koa nilazana eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy misy nailika. Tsy nahitam-bokatra anefa izany, dinika poakaty. Ny tsikaritra aza izao, taorian’iny fihaonana teny Vontovorona iny, dia manomboka mifampiahiahy ireo mpikambana ao amin’ny ESCOPOL. Mahatsapa mantsy ny maro fa dia mifono hafetsifetsena sy fisolokiana politika ity resaka ity. Ao koa ny mahatsiaro fa atao fitaovana politika fotsiny, hahazoan’ny sasany seza.

Tsy nandray anjara tamin’ny dinika ny Ankolafy Telo omaly. Saingy taorian’ny fametrahany fepetra mialoha ny hirosoana amin’izany, dia ny hisian’ny fitoniana politika, ny hamerenana an-tanindrazana ireo Malagasy sesitany ary koa ny handravana izay rafitra rehetra najoron’ny FAT miainga avy amin’ny governemanta dia nanapa-kevitra ny solontenan’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, tarihin’ny Dr Simao, fa handray mifandimby ny avy amin’ny Ankolafy Telo, ny CNOSC ary ny ESCOPOL ka teny Vontovorona ihany omaly no nanatanterahana izany. Nitarika ny delegasionin’ny ankolafy misy azy avy ny Pr Ange Andrianarisoa (Ratsiraka), Dr Rakotovahiny Emmanuel (Zafy) ary Fetison Rakoto Andrianirina (Ravalomanana). Fepetra napetraky ny Ankolafy Telo ihany koa ny hamaritana ny fomba fandraisana anjara amin’ny fivoriana, ka ho vondron’antoko izany fa tsy ho antoko. Ka horaisina ho vondrona iray avy ny ankolafy Zafy, ny ankolafy Ratsiraka ary ny ankolafy Ravalomanana. Hasolo ny ankolafy Rajoelina ny UDR, ary ho vondrona iray ny ESCOPOL. Araka ny tolokevitry ny Ankolafy Telo ihany dia ferana ho fito isaky ny vondrona politika no mandray anjara amin’ny fifampidinihana.
 
Ratsy toerana ary mety hipatitaka ny ESCOPOL raha io fepetra io no mihatra hanohizana ny dinika. May volon-tratra ireo mpikaramanady politika mpiketrika azy ity. Taorian’ny fihaonany tamin’ny iraky ny mpanelanelana iraisam-pirenena dia nivory manokana ny ESCOPOL. Fantatra tamin’izany fa dia hanohy ny fivoriany eny Ivato izy ireo amin’ny alatsinainy. Ho fivoriana mihiboka io, ary ho mpanatrika fotsiny ihany no hanasana ny CNOSC sy ny Raiamandreny Mijoro. “Handinihana ny sori-dalan’ny tetezamita, ary koa handaniana ireo hanapahan-kevitra nivoitra nandritra ny roa andro voalohany nivoriana teny Vontovorona”, araka ny nambaran’ny Pr Alain Teandrazanarivelo. Nilaza moa ny avy eo anivon’ny ESCOPOL fa “manana ny lanjany ny fifanarahana vita sonia teny Ivato, ka tsy ny hantahantan’olom-bitsy no handravana izany”.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT