Miady an-trano ny vondrona “Les AS” ka ireo izay tena mpinamana sady mitovitovy toetra amin’ny fahasahiana manakiana ny mpitondra sy ny mpanao politika amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy mifanaraka intsony.
Andaniny i Voninahitsy Jean Eugène, filohan’ny Rpsd Vaovao sady filoha mpitarika ny “Les AS” ary ankilany izay lasa mpifanandrina aminy ny antoko Tambatra tarihan’i Pety Rakotoniaina sy ny Liaraike tarihan’i Soja Jean André na Kaleta. Efa fotoana naharitratritra no fantatra ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Rpsd Vaovao sy ny Tambatra fa omaly vao vaky ambatolampy izany tamin’ny alalan’ny filazan’i Voninahitsy Jean Eugène fa voaroaka tsy ao anatin’ny “Les AS” intsony ireo antoko roa araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe ka angatahana amin’ny filohan’ny FAT ny fanoloana ireo CST sy CT notendrena tamin’ny anaran’ny Tambatra sy Liaraike.
Nanambara i Voninahitsy fa niangarana manokana mihitsy ny Tambatra tamin’ny fananganana ny Parlemanta satria nomena CST miisa 3 sy CT miisa 5 izy raha 20 ny toerana itambaran’ny “Les AS”. Eo anatrehan’izany tombontsoa manokana nomena ity antokon’i Pety ity izany anefa dia fandikan-dalàna ny sata mifehy ny “Les AS” sy ny famoahan-kevitra mifanipaka amin’ny tapaky ny besinimaro no ataon’ireo olom-boatendry avy ao amin’ny Tambatra, hoy izy. Noraisiny ohatra ny firotsahan-kofidian’i Beza Seramila tamin’ny fifidianana filohan’ny CT nefa ny tenany Voninahitsy Jean Eugène no efa tapaka tamin’ny fivoriambe fa kandida iraisana.
Antony faharoa anesorana ny Tambatra koa raha ny fanazavan’i Voninahitsy ny fanohanany ny “Ni… Ni” nefa ny “Les AS” dia mihevitra fa mahafeno ny fepetra i Andry Rajoelina satria tsy mbola nisazy ka ny vahoaka no tokony hitsara azy. Mbola io famoahan-kevitra mandeha ila tsy ifanarahana amin’ny besinimaro io koa no fototry ny fandroahana an’i Kaleta izay mamalan-kira hatrany isaky ny mihaona amin’ny SADC raha ny fanazavana. “Tsy mila olona tsy manana hazon-damosina ny Les AS ka esorina avokoa izay mpandoto rano. Azon’ny “Les AS” endahina koa aho raha mibirioka”, hoy i Voninahitsy. Raha nanontaniana an-telefaonina momba ity disadisa ity i Pety Rakotoniaina, filohan’ny Tambatra dia nanao teny an’avona ka nilaza fa “tsy mbola misy teny ataoko amin’izany”. Ny CST Raharinirina Jacques Aimé kosa no nanaiky niteny tamin’ny anaran’ny Tambatra. Nohazavan’ity farany fa tsy noterena akory ny Tambatra raha niditra tao amin’ny “Les AS”. Nahimpony izany ary tsy manana fahefana handroaka ny Tambatra ao ny Rpsd Vaovao satria antoko maro no mpikambana ao amin’ny “Les AS”.
Fanontaniana no apetrak’i Jacques Aimé raha toa ka handray baiko avy amin’i Voninahitsy ny filohan’ny FAT ka hanala ireo Parlemantera Tambatra ao anaty andrim-panjakana. Niaiky ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny roa tonta koa ny tenany. Anisan’izany ny resaka fanelanelanana satria raha manohana ny fidirana an-tsehatry ny FFKM amin’ny ezaka fandaminana ny krizy ny Tambatra dia mitsipaka izany kosa ny Rpsd Vaovao. “Ny foto-kevitra nanangana ny “Les AS” dia ny hanao zavatra tsara tsara kokoa. Tsy ny hamoaka mpigadra ho lasa mpanao didy jadona vaovao noho izany no tanjona fa olona mahay maka lesona politika mifanaraka amin’ny tolona natao”, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé namarana ny fanazavany. Tsy azo moa ny hevitr’i Kaleta amin’ity raharaha ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.