Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Hanambara ny heviny momba ny raharaham-pirenena anio


  • Zoma 09 Aprily 2010

Manoloana ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena dia hampiantso ny mpanao gazety amin’ity anio ity manomboka amin’ny 10 ora etsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina i Voninahitsy Jean Eugčne sy ireo mpiara-dia aminy.

Efa nisy ihany moa ny famoahan-kevitra nataony niaraka tamin’i Zakahely Boniface tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ka nilazan’izy ireo fa tokony hanambara mazava i Andry Rajoelina fa tsy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena izy, fa hitantana ny tetezamita dia hanao izay hampilamina ny firenena sy hahalavorary ny fifidianana ary avela hilatsaka izay te hilatsaka rehetra. Raha sahy manambara izany amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia azo antoka fa hilamina ny firenena, araka ny hevitr’ireto gadra politika nandritra ny fitondrana Ravalomanana ireto. Fa ankoatra izay dia nilaza ihany koa izy roalahy fa manana porofo ny amin’ny zavatra tsy mety mitranga ato anatin’izao tetezamita izao. Azo atao tsara ny mampahafantatra izany ny besinimaro raha tsy misy ny fanapahan-kevitra haingana amin’ny famahana ny olana sy fanitsiana ny fomba fiasa. Efa nandrangaranga ny mety hivadihany ho mpanohitra mihitsy moa i Voninahitsy sy Zakahely raha mbola miziriziry amin’ny hitondrana ny firenena any amin’ny lalan-diso i Andry Rajoelina. Ho hita eo izany amin’ity anio ity ny hambaran’i Voninahitsy Jean Eugène manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena sy ny mety ho fanapahan-keviny. Hanohy ny lalana miaraka amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, hanome fampitandremana ve, sa hitsimbadika ho mpanohitra?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT