Politique

Vondrona MAPAR Tezitra mafy amin'ny HVM


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Manoloana ireo fanenjehana isan-karazany mahazo ny MAPAR, dia nanao fanambarana tamin'ny alalan'i Pierre Houlder, mpitondra teniny izy ireo omaly, fa manameloka izao fihetsiky ny HVM ho fahatahorana mafy an'i Andry Rajoelina sy ny MAPAR izao.

 Tsy izao fomba izao no hiaro ny fitondrana ankehitriny amin'ny tsy fahombizana eo amin'ny fitantanana misy ankehitriny raha ny fanambarana. Namantsipantsika ny HVM mihitsy izy ireo ka nilaza, fa ny famahana ny olan'ny vahoaka sy ny fanajana ny tany tan-dalàna ihany no afaka hanavotra ny firenena latsaka lalina anaty fahantrana. Noho izany, mitaky tsy misy hatak'andro ny fanatsaharana ny fanenjehana azy ireo ny MAPAR. Mba nisy ve ny fanajana ny tany tan-dalàna resahin’izy ireo tamin’ny andron’ny tetezamita ? Mihevi-tena ho mbola tompon’ny hery sy tanjaka ara-politika ny MAPAR raha ny fanehoan-keviny izay milaza fa atahorana mafy. Na ny lehiben’izy ireo aza anefa tena tsy re feo sy tsy re tsaika intsony, fa dia ireto mpomba azy sisa no miezaka mafy mamelona ny fanantenan’ny mpanohana. Manampy trotraka, dia misy amin’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina no migadra sy avy nogadraina ka misitri-belona noho ny fanenjehan’ny HVM. Ao ireo ben’ny tanàna nesorina sy toa mbola hoesorina… ka inona no hery hoenti-miady sa kosa efa miala any indray ny kajy vaovao toy ny famerenana ny 2009 ? Tsy sanatria manenji-dresy na manao vain-drahalahy tsy mba marary fa mivaly amin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany ny fomba ratsy fanaony fony izy ireo teo amin’ny fitondrana, ka indraindray mitaraina sy mitaky ny fanatsaharana ny fanenjehana azy ireo ary indraindray mbola te hidingin-drambo fa tsy afaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT