Politique

Vondrona Escopol Mitady hipatitaka koa


  • Alarobia 30 Janoary 2013

Azo ambara fa mitady hifindran’ny aretin’ny fisamatsamahana ara-politika koa ny vondrona Escopol (Espace de Concertation des Partis Politiques) ankehitriny raha ny hevitra navoakan’ny CT Randrianasolo Nicolas mpikambana ao aminy no dinihana lalina.

 Misy mivoy, hoy izy hoe : hevitry ny MTS daholo no arahina ao amin’ny Escopol. Tiako ny milaza fa tsy fehezin’iza na iza ny Escopol fa antoko be dia be no mivondrona ao anatiny ao, hoy ny CT Randrianasolo Nicolas. Ity farany izay milaza fa manjaka ao ny demokrasia ka ny hevitry ny maro no arahina. Ohatra amin’izany ny nanambaran’ny Escopol fa ireo olona mahazo amnistia dia tsy tokony hirotsaka hofidiana.

Tena hevitry ny maro an’isa tao izany. Raha nangataka indray i Andry Rajoelina hoe tokony ho ny fifidianana parlemantera no atao mialoha, dia nilaza ny heviny ny Escopol fa ny fifidianana filoham-pirenena ihany no mila mandeha mialoha. Tsy mitovy amin’izany ny hevitro, izaho Nicolas Randrianasolo nefa dia arahiko ny tapaky ny besinimaro. Manao antso avo amin’ireo namana mpanao politika ny tenako, hoy ity CT avy any Betroka ity : “aoka isika tsy ho tia tena diso tafahoatra fa tsinjovy ny taranaka faramandimby . Ny zava-bitanao ihany no tsy maintsy hitsarana anao ka atsaharo ny kajikajy politika”

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT