Politique

Vondrona Eoropeanina Miandry tetezamita tenierana


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010


Manoloana ny tsy fisiana tenierana sy mangarahara tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka natao teto amintsika ny 17 novambra teo dia nolavin’ny Vondrona Eoropeanina ny fangatahan’ny FAT ny amin’ny tokony handefasana iraka mpanara-maso izany fifidianana izany araka ny fanazavan’i Catherine Ashton ary tsy handefa mpanara-maso koa ity Vondrona ity amin’izay fifidianana ho Ben’ny tanàna hatao ny 20 desambra. Mahakivy ny Vondrona ny fizirizirian’ny FAT hanatanteraka izay tsoakevitra tamin’ny fifanarahana politika natao teny Ivato sy ny fihaonambem-pirenena. Tao anatin’ny filaminana tamin’ny ankapobeny, hoy ny Vondrona Eoropeanina no nizoran’ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra saingy nisy ny ampahana miaramila nikasa hanao fanonganam-panjakana saingy tsy nahavanona. Izany dia miteraka fahasahiranana ara-toekarena, sosialy ary eo amin’ny lafiny filaminana sy fandriampahalemana.

Manoloana ireo rehetra ireo dia miantso ny FAT sy ireo Malagasy rehetra manam-piniavana ho an’ny tombontsoam-pirenena mba hiverina amin’ny fifampidinihana mba ho tena tenierana ny dingana rehetra hametrahana ny tetezamita tena izy, ahafahana manangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Izany dia hiverenan’i Madagasikara haingana amin’ny ara-dalàna izay mifototra amin’ny fifidianana malalaka, azo antoka ary mangarahara. Mampirisika hatrany ny fitadiavam-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy tarihin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ny Vondrona Eoropeanina. Ity farany dia milaza fa vonona hanohana na ara- politika na ara-bola mba hivoahana amin’ny krizy izay mamotika an’i Madagasikara na ara-toekarena na ara-tsosialy.

Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT