Politique

Vondrona Eoropeanina Mandinika ny fepetra momba an’i Madagasikara


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Nisokatra nanomboka ny alatsinainy teo ny fivorian’ny Vondrona Eoropeanina mandinika izay ho fanapahan-keviny momba ny raharaha Madagasikara.

Nanambara ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Jean-Marc Châtaigner, fa tsy resaka sazy akory no hodinihana mandritra io fivoriana io fa ny fanapahan-kevitra izay mifandraika amin’ny zava-misy eto an-toerana. «Ny lafiny fanampian’ny Vondrona Eoropeanina an’i Madagasikara no mety hisy fiovana», hoy ihany izy. Nomarihiny fa maharitra fotoana lava ny dinika ka any amin’ny faran’ny volana aprily any vao mety ho fantatra ny fehinkevitra. Ankoatra izay dia nanamafy ity masoivoho frantsay ity fa tsy misy afa tsy ny fifampidinihana no ivoahana amin’ny krizy ary manohana izany ny tenany sy ny fanjakana frantsay izay soloiny tena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT