Politique

Vondrona Afrikanina Tsy hanara-maso ny fifidianana


  • Zoma 12 Novambra 2010

Hatreto aloha dia mbola mikiry mafy hanao fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra sy ny fifidianana ben’ny tanàna ny 20 desambra ny FAT.

Na dia izao tontolo izao aza no efa manameloka ary tsy mankasitraka ny amin’ny hirosoan’i Madagasikara amin’ireo karazam-pifidianana rehetra dia mbola miezaka mafy ho amin’izany ireo mpitondra nisora-tena. Fantatra fa ny 22 oktobra lasa teo dia nandefa taratasy tany amin’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina ny masoivohon’i Madagasikara ao Addis Abeba, hanasa ny Vondrona hanara-maso ireo fifidianana  roa kasaina hatao eto amintsika. Mitondra ny laharana 2010-309/ARM/ETH/POL izany taratasy fanasana izany. Nilaza kosa moa ny Vondrona Afrikanina fa tsy afaka hanatrika sy hanara-maso ireo fifidianana ireo satria, araka ny lalàna mifehy ny Vondrona Afrikanina dia izay fifidianana ho filoham-pirenena sy solombavambahoaka ihany no atrehiny. Ny Vondrona Afrikanina rahateo moa dia anisan’ireo mitsipaka ny hanatanterahana ireo karazam-pifidianana ireo satria mbola hevitr’ankolafy tokana fa tsy vahaolana iombonana sy tenieranan’ny ankolafy rehetra, izany hoe tsy ahafahana mamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy izao. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT