Politique

Vondrona Afrikanina Handinika ny raharaha Madagasikara ny 30 jona sy 01 jolay


  • Alarobia 22 Jona 2011

Hivory any Malabo, Repoblikan’i Guinée Equatoriale, amin’ny faran’ity volana jona ity ny Vondrona Afrikanina. Fivoriana ara-potoana faha-17 io, hatao ny 30 jona sy 01 jolay.

 Azo antoka fa hodinihina mandritra izany ny raharaha Madagasikara, rehefa avy nandalo ny Vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana. Raha araka ny tsiliantsofina re avy any Afrika any, sy taorian’ny fehin-kevitra navoaky ny Sadc tany Sandton dia tsy hisy intsony ny fiovana goavana fa hitovitovy amin’ny hevitry ny Sadc farany teo ihany no havoaky ny Vondrona Afrikanina, izany hoe tsy maintsy misy aloha ny fanitsiana atao amin’ilay sori-dalana vita rangopohy izay vao tanterahana ny fanaovan-tsonia azy, eto Madagasikara raha tsy misy fiovana. Efa iaraha-mahalala ihany anefa ny hevitry ny FAT fa dia tsy ekeny ary tsy azony ekena mihitsy ilay hoe fahafahan’i Marc Ravalomanana mody tsy misy fepetra eto Madagasikara. Raha ny tena marina dia tsy mety amin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany mihitsy izany hoe fiaraha-mitantana amin’ny Ankolafy telo izany.

Eo indrindra no mahatonga ireo manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena hieritreritra fa mety handefa tafika mpampandry tany eto ihany ny Vondrona Afrikanina ka ny Sadc no hampiandraiketany izany. Araka ny nambaran’i Bien Aimé Randrianantenaina, manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena dia mahita ny vondrona iraisam-pirenena fa ny fitondran’i Marc Ravalomanana ihany no tena azo iaraha-miasa sy azo ifampiraharahana, ka noho izany mitady ny fomba rehetra hamerenana ity filoha teo aloha ity ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Sadc. Ankoatr’izay dia efa nisy ihany ny fe-potoana fiala-nenina nomena an’i Andry Rajeolina, izay efa fomba fanao amin’ny resaka diplaomasia, saingy tsy nety nahatafavoaka ny baolina mihitsy ny filohan’ny FAT fa lany andro niovaova hevitra. Raha araka ny tsiliantsofina re avy any ivelany dia efa leon’ny fizahozahoan’ny filohan’ny FAT ny ankamaroan’ireo firenena goavana ka tsy hanaiky intsony ny fidongian’ny fitondrana tetezamita fa handray fepetra hentitra sy henjana aorian’io fivorian’ny Vondrona Afrikanina ny 30 jona sy 01 jolay io. Dia miandry ny rehetra. Inona indray no mety hitranga ? Hifanaraka ihany ve ireo ankolafy politika ? Hisy fifidianana ihany ve amin’ity taona ity sa sanatria ho toy ny tany Cote d’Ivoire i Madagasikara ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT