Hodinihana manoloana ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina any Addis Abeba izay hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny raharaha Madagasikara.
Na ahoana na ahoana mantsy fizotry ny famahana ny krizy dia ity fivoriambe ity ihany no tena afaka hamoaka fanapahan-kevitra ofisialy momba an’i Madagasikara. Ny fisian’io fihaonana amin’ny alatsinainy ho avy izao io no anisan’ny antony nihazakazahana nananganana ny governemanta. Raha misy ny fanontaniana na fitadiavana fanampim-panazavana dia eo ny olon’ny SADC hamaly ny fanontaniana. Raha ilaina dia hisy ny solontenan’ny fitondrana tetezamita hanatrika io fivoriana any Addis Abeba io ka hanome fanampim-panazavana misimisy kokoa ny amin’ny dingana rehetra efa vita amin’ny famahana ny krizy .
Tsy ireo olon’ny tetezamita mialoha ny nanasoniavana ny sori-dalana mihitsy anefa no afaka hanatrika ny fihaonana, fa tsy maintsy ny olona voatendry taorian’ny sonia, izany hoe ao anatin’ny governemanta Beriziky. Mety ho ny praiminisitra na ny minisitry ny raharaham-bahiny no hasaina hanatrika ny fivoriana ara-teknika. Tsara homarihana koa fa tsy Atoa Andry Rajoelina velively no eken’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, araka ny ambaran’ny sori-dalana sady neken’ireo vondrona politika misy eto Madagasikara.
Tsy tokony hahagaga firy manomboka izao, raha voaasa amina fihaonana maro eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ingahy praiminisitra. Fa anisan’ny maha zava-dehibe ity fivorian’ny Vondrona Afrikanina ity ihany koa ny hahafahana milaza amin’izay fa mijoro eto Madagasikara ny tetezamita iaraha-mitantana ary an-dalam-pijoroana koa ireo rafitra sisa ambiny, koa noho izany dia hanetsika ny mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’izay ny Vondrona Afrikanina sy ny ao amin’ny GIC-M mba hanampy ara-bola sy ara-pitaovana an’i Madagasikara. Efa mazava be mantsy izao fa tsy manam-bola ny fitondrana tetezamita, ary na ny tambinkaraman’ireo olom-boatendry isan-karazany ireo aza mbola ankamantatra ny handoavana azy isam-bolana, indrindra fa nitombo ny isan’izy ireo. Tsy azo ihodivirana ny famatsiam-bola avy any ivelany mba hahafahan’ny tetezamita mihodina sy miasa araka ny tokony ho izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.