Halohalika ny ranom-bary tao anatin’ny herintaona sy tapany niainan’ny vahoaka Malagasy ny krizy izay.
Tsy mitsasaha-mitotongana ny faripiainan’ny valalabemandry, manjaka ny tsy fandriampahalemana, ana hetsiny ireo very asa, tampenam-bava sy ampidirina am-ponja ireo manohitra ny fitondrana amin’izao fotoana. Santionany amin’ireo aretina mahazo ny firenena sy ny vahoaka ao aminy araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olom-pirenena maro avy amin’ny sokajin’asa samihafa omaly tetsy Analakely ireo. Nampivondrona ny heriny ireto olom-pirenena ireto ka nanangana ny Vondron’olom-pirenena izay tsy manaiky ny hangina intsony manoloana ny zava-misy ankehitriny. Amin’izy ireo dia ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) sy ireo mpanao politika miaraka aminy no fositra mampilentika ny firenena ka mampijaly ny vahoaka.
Nahitsy ny teniny manoloana ireo antoko politika mivory eny Vontovorona “Olon-tsotra mandray andraikitra izahay ireto fa tsy avy amin’ny fikambanana na mpanao politika akory. Mijoro izahay hampiseho fa ny vahoaka no tompon-tsafidy fa tsy ireo antoko politika vao nitsangana etsy sy eroa rehefa nahazo vola kely. Manana ny heviny ny vahoaka fa tsy mila ireo mpanao politika ireo. Tsy azo ekena mihitsy raha tsangan’olona toy izany no mitabataba amin’izao raharaham-pirenena izao”, hoy Ratolojanahary, mpitondra teny. Nambarany fa fitadiavan-tseza sy tombontsoa no mahamaika ireo mpivory eny Vontovorona ireo mba hampitombo ny harena nangoniny tao anatin’izao fitondrana FAT izao. Misy hoy izy, ireo mpanao politika sasany izay nahatafatsangana trano lehibe eny Mandroseza eny kanefa fiara efa maty lava sy atosika vao mandeha no nampiasainy tamin’ireny fitokonana notarihan’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireny. Manana vahaolana hivoahana amin’ny krizy koa ny Vondron’olom-pirenena dia ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana izay voafidim-bahoaka eo amin’ny fitondrana. “Avelao ny vahoaka haneho hevitra raha mankasitraka ny hanohizana ny fitantanana ny firenena na tsia !”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.