Politique

Vondron’ny mpanohitra Hanentana isam-pokontany


  • Alatsinainy 12 Septambra 2016

Maro amin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao no tena sahirana, hoy ny avy anivon’ny Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana ifotony (MMF) izay hivondronan’antoko sy vondrona politika maromaro manohitra ny fitondrana ankehitriny raha nivory voalohany tetsy Andrefanambohijanahary ny sabotsy teo.

 

 Mila manambatra ny heriny ny Malagasy rehetra, hoy hatrany ity vondrona ity, ka antony hifantohan’ny hetsik’izy ireo bebe kokoa amin’ny fanentanana isaky ny boriborintany sy ny fokontany manomboka izao mba hanoherana izao fitondrana izao. Hisy sampan’ny MMF hajoro ary, raha ny fampahafantarana teny an-toerana ny sabotsy teo isak’ireo fokontany manerana an’Antananarivo ka hitohy hatrany amin’ny faritra.

Dinika       fanonganam-panjakana

Miha tanteraka tsikelikely araka ny naminavinana azy aloha izany hatreto ny planina napetraky ny dinika ho fanavontam-pirenena na ny DFP izay efa iraisan’ireo mpanohitra rehetra mivondrona ao anatin’ity MMF ankehitriny ity. Araka ny fampahafantaran’ny avy eo anivon’ny DFP azy teny amin’ny Panorama Andrainarivo azy ny volana jolay teo moa dia efa azo lazaina fa tanteraka ilay nolazain’izy ireo fa dinika nasionaly ary santatry ilay hoe dinika rezionaly kosa izao hitetezana fokontany izao. Ny ahian’ny mpanara-baovao moa izany dia aorian’izay rehetra izay kosa ny dinika fanonganam-panjakana.

Légende:Ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny MMF  (Rakotobe Michel)

Faralahimatoa    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT