Mazava sady hentitra ny hevitry ny COSC na Coalition des Organisations de la Société Civile nandritra ny fivoriambe notontosain’izy ireo mpikambana ny sabotsy lasa teo.
Voalaza ao anatin’ny fehin-kevitra fa «Tsy misy ny sata iarahan’ny rehetra manaiky hitantanana ny tetezamita ahafahana mametraka ny mpitondra mahazo ny fankatoavana eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Tsy dia nasiana lanjany firy ny hevitra navoakan’ny solontenan’ny o1om-pirenena nandray anjara tamin’ny Dinika Santatra teny anivon’ny Distrika 119 manerana ny nosy tamin’ny fanaovana ny Fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Fikambanana FINOANA. Tsy nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny Malagasy sasany ny lalana itondran’ny Mpitondra ankehitriny ny firenena ivoahana amin’ny krizy». Nivoaka tamin’ny adihevitra koa ny filazan’ny solontena sasany fa navadika mihitsy ny onjan-kevitra sasany tapaky ny besinimaro tamin’ny Dinika Santatra toy ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana sy ny famerana ho 40 taona ny fetran-taonan’ny olom-pirenena afaka mirotsaka ho filoham-pirenena.
«Samy tsy misy noresahana tamin’ny fihaonambem-pirenena avokoa ireo fironan-kevitra ankapobeny tamin’ny Dinika Santatra ireo», hoy Rajoelison Josuet, mpikambana tao amin’ny Komity mpanomana ny fivoriambe. Eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny ary, maneho ny ahiahiny ity vondrona fikambanana nikarakara ny Dinika Santatra ity. «Raha mitohy izao zava-misy izao dia mbola hisy krizy politika mafimafy kokoa indray hitranga eto amin’ny firenena tsy ho ela. Maro amin’ireo mpandray anjara tamin’ny Dinika Santatra, koa no mametra-panontaniana amin’ny fizotry ny toe-draharaha sy ny tokony hatao manoloana izany».
Tsy hipetra-potsiny anefa ny COSC fa hanohy hatrany ny asa efa nijoroany ka handray anjara biriky amin’ny famahana ny krizy amin’ny alalan’ny fampijoroana ny tetezamita ekena sy iarahan’ny hery rehetra, hisian’ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, hisian’ny fampivahavanam-pirenena tena hampirindra ny fiarahamonina malagasy ary ny hisian’ny lalàmpanorenana marim-pototra araka ny tatitra novakian-dRajoelison Josuet ihany. Ankoatra izay dia tapaky ny rehetra fa hajoro koa ny birao mpandrindra nasionalin’ny COSC izay hasolo ny birao mpanatanteraka. Mbola nametrahan’ny besinimaro fitokisana hitondra ny birao i José Rakotomavo, Rasolo André ary Velompanahy Aristide.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.