Politique

Vondron’ireo fiarahamonim-pirenena : hiteraka krizy vaovao ny fitsapan-kevi-bahoaka


  • Alarobia 03 Novambra 2010


Tsy eken’ny vondron’ireo fiarahamonim-pirenena ny fanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra ho avy izao. Araka ny fanazavan’izy ireo dia amin’ny alalana dinika eo amin’ireo antoko politika ihany no hizorana amin’ny ho tenierana sy fiaraha-mitantana mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana. Araka ny fahitan’ireto vondrona fiarahamonim-pirenena ireto àry dia tsy mitombina ary karazana adimaika sy petatoko ihany ny fanaovana io fitsapan-kevi-bahoaka io. Tsy manara-penitra ary hita fa tsy mahaleo tena ny fametrahana ny Ceni. Voatohintohina koa ny fahalalahana maneho hevitra amin’izao referendaoma izao satria maro ireo haino aman-jery no nakatona amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Heverin’ny Alliance àry fa hiteraka olana sy krizy vaovao ary fanoheran’ny Malagasy ny fisisihana hanao io referendaoma io. Manoloana izany dia miantso ireo hery politika rehetra hiverina hidinika an-databatra boribory ity vondrona ity. Eken’izy ireo ihany koa ny fanelanelanana tarihin’ny Cnosc izay tohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT