Araka ny didy hitsivolana noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra dia nohalavaina hatramin’ny andro fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ny fisoratan’ny antoko ao anatin’ny rejisitra eo anivon’ny Ministeran’ny Atitany.
Fanapahan-kevitra noraisina io noho ny fisian’ny antoko sasany izay tsy nahatratra ny fetr’andro 09 janoary 2013 hanavaozany ny fisoratany ao amin’ny ministera. Raha misy antoko vitsivitsy te hitambatra ho iray ihany koa dia voafehin’io fepetra io izy, hoy ny Minisitry ny Atitany, Rakotoarisoa Florent. Amin’izay fotoana izay dia voafafa ao anatin’ny rejisitra ny anaran’ireo antoko nisafidy ny hitambatra fa ilay antoko vaovao iraisany no ankatoavina araka ny fanazavany ihany.
Momba ireo vondron’antoko (groupement) niforona tao anatin’ny Tetezamita toy ny HPM, Les AS na Escopol … ka maniry hanolotra kandida amin’ny anaran’ilay vondrona amin’ny fifidianana dia azony atao izany saingy mila manao fangatahana manokana izy ireo. Takiana amin’ny filohan’ny antoko tsirairay ny fisian’ny taratasy avy aminy milaza ny fidirany anaty vondrona iray. Mila mazava ao anatin’ny antontan-taratasy apetraky ny vondrona ao amin’ny Ministera koa ny karazam-pifidianana iarahany na fifidianana filoham-pirenena ihany izany na koa amin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany na izy roa mitambatra. Nilaza kosa anefa ny Minisitra Rakotoarisoa Florent fa mijanona hatreo amin’ny fifidianana mamarana ity tetezamita ity io fiarahana anaty vondrona io fa rava avy hatrany ilay izy vao tafapetraka ireo olom-boafidy. Nomarihany fa raha misy ny famatsiam-bola omen’ny fanjakana ny antoko dia anisan’ny mahazo izany ny antoko vaovao niorina tamin’ny fitambarana antoko maromaro fa tsy ao anatiny kosa ny vondrona.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.