Sehatra iray anisan’ny anjakan’ny kolikoly ny eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana eny, raha ny fitarainana tonga eny anivon’ny Bianco. Mahazo vahana koa ny fanodinkodinam-bola. Lasibatra tao anatin’izany ny vola fanohanana ny Kaominina avy amin’ny Tahiry Fampandrosoana Ifotony na FDL, hanaovany asa fampandrosoana. Sivy tapitrisa ariary isan-taona izy ireo. Tsy nazava ny fitantanana ny FDL tamina Kaominina miisa 40 manerana ny Nosy. Hentitra ny teo anivon’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izay mpiahy ny vondrombahoakam-paritra fa hosoloina PDS avy hatrany ny Ben’ny tanàna amin’ireo Kaominina voamarina fa nisy fanodinkodinam-bola.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.