Miavaka amin’ireo fitsarana roa misahana ny ara-panjakana sy mpanao famotorana ny tribonaly misahana ny fitantanana ara-bola.
Mamaritra malalaka ny fandaharanasany mandritra ny taona na ny PTA (Programme de Travail Annuel) mantsy ity farany, hoy ny filohany Indriamanga Rakotoarisoa. Tompon’antoka tanteraka amin’ny fisafidianana ireo toerana hanaovana fitsirihana toy ny faritra na kaominina moa ny fitsarana miandraikitra ny fanadihadiana ny fitantanam-bolam-bahoaka, araka ny fanazavany. Nahatratra 1 miliara ariary mahery ny volam-bahoaka voaodinkodina tsy nisitrahany tombontsoa tao anatin’ny 5 taona raha ny antontanisa eo am-pelatanan’ny tribonaly momba ny fitantanana ara-bola. Sehatra tena ahitana io fampiasambola tsy ara-dalàna io ny tsenan’asam-panjakana sy ny fisian’ireo antsoina hoe mpiasam-bahoaka «matotoa» mandray karama eny anivon’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana. Tranga iray mpiseho matetika ihany koa ny fampiasambola hoan’ny tombontsoan’olon-tokana na olom-bitsy. Mijoro ho mpanoro hevitra nefa vonona hanasazy mafy raha ilaina moa ny fitsarana miandraikitra ny fitantanana ara-bola, hoy ny lehiben’ity rafitra mpanara-maso ny volam-panjakana eto Antananarivo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.