Politique

Volavolan-dalŕmpanorenana Miketrika mafy ny TGV


  • Alarobia 19 Mey 2010


Efa am-perinasa tato anatin’ny andro vitsivitsy izao ny komity manokana eo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita amin’ny fandinihana izay ho firafitry ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ary haroso hitsapana ny hevi-bahoaka ny 12 aogositra. Mpanolotsaina sy teknisianina izay miara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina no ao anatin’izany komity manokana izany. Araka ny tsiliantsofina re dia ny mpikambana sasany ao anatin’ity komity ity no ampidirina ao anatin’ilay «Comité Consultatif Constitutionnel», izay nambara fa haka ny hevitr’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena amin’ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao. Tsy vao izao moa, fa efa hatramin’ny fiandohan’ny taona 2009 no efa nikononkonona ity lalàmpanorenana vaovao ity ny ekipan’i Andry Rajoelina, na dia tsy mbola tafakatra teo amin’ny fitondrana aza. Araka ny tsiliantsofina re dia efa ny volana janoary 2009 dia efa nikaroka olona hamolavola ity lalàmpanorenana ity izy ireo. Etsy ankilany dia mikaon-doha hatry ny omaly ao amin’ny hotely Louvre ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny TGV, fikambanana politika naorin’i Andry Rajoelina, miketrika lalàmpanorenana. Ny azy ireo ve no hakana fankatoavana mandritra ny dinika nasionaly hatao eny Ivato ny 27, 28 ary 29 mey ho avy izao? 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT