Politique

Volamena eto Madagasikara Ahazoana 500 miliara isan-taona


  • Zoma 14 Oktobra 2016

Tombanan’ny manampahaizana ho 5 taonina na 5000 kilao isan-taona ny volamena afaka vokarin’i Madagasikara.Tena harena be tokoa satria raha heverina izany fa 100 000 Ar ny 1 grama dia 500 miliara Ar izany na manodidina ny 160 tapitrisa dolara no sandan’ireo volamena 5 taonina ireo.

 


Raha toa izany ka voafehy tsara io sehatra iray io ao anatin’ny 5 taona ohatra dia hahazo vola be hatrany amin’ny 2500 miliara ariary na 800 tapitrisa dolara i Madagasikara, midika izany fa tsy mila mangataka vola any amin’ny banky iraisam-pirenena sy ny vondrona eoropeanina akory isika satria tsy mifanahantsahana amin’izay ihany ny fampindramam-bola omen’izy ireo an’i Madagasikara ao anatin’ny 5 taona ary mbola henjana dia henjana ny fepetra takiana ; ilay FED andiany faha-11 avy amin’ny vondrona eoropeanina izao ohatra dia manodidina ny 512 tapitrisa euro na 580 tapitrisa dolara eo ho eo.Miha mahantra hatrany anefa i Madagasikara na dia eo aza izany harena be ao ambanin’ny taniny izany, mbola tsy resahana eto ny hoe solika, safira, uranium, mercure, diamondra sns…izay samy akora lafo vidy avokoa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Ireo manampahefana sy mahitahita amin’ny afera maizina ihany no manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ka mitrandraka sy manondrana amin’ny ampahany betsaka ireo harena be tahaka ny volamena ireo, ary na misy tratra aza tahaka ilay 24 kilao farany teo teny Ivato dia mangingina tsy ahitana tohiny intsony ny raharaha.Maivana mba tsy ilazana hoe tsy misy ny rafitra izay tokony hanara-maso hentitra ny fitrandrahana , fandraharahana ary famarotana ny volamena eto amintsika, ny fanondranana anefa noalalahan’ny fitondrana HVM .Mangetahena ambony lakana ny Malagasy, tsy ampy sakafo isan’andro kanefa miaina eo ambony miliara..ireo mersenara politika sy mpanao afera no misitraka ny harena ary dia atao tohatra fiakarana matetia ny vahoaka madinika.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT