Politique

Vola nomen-dRavalomanana Ho fantatra tsy ho ela ny anaran’ireo nahazo azy


  • Talata 02 Martsa 2010

Mbola misamboaravoara noho ilay resa-bola ihany ny eo anivon’ny foloalindahy amin’izao fotoana na dia tsy nisy intsony aza ny resaka nivoaka sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa, ary mety mbola hitohy ihany io savorovoro io.

 

Mandeha ny feo hatry ny omaly fa mety hisy hamoaka ny anaran’ireo manamboninahitra nahazo tamin’ilay vola nomen’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha ny siosion-dresaka hatramin’izay, taorian’ilay alatsinainy maintin’ny 26 janoary 2009 no nanomboka ny fizarana io vola io, izay nambarany fa fanampiana sy fampirisihana ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy mba hiasa tsara manoloana ny savorovoro teto amin’ny firenena. Efa nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana  fa nahafantatra ny fisian’ny vola ny minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’izany fotoana, Manorohanta Cécile, izay praiminisitra lefitra misahana ny atitany amin’izao fotoana.
 
Nanda mafy izay fanambarana izay moa Rtoa praiminisitra lefitra. Ankoatra izay, araka ny resaka manomboka mivoaka ihany koa amin’izao fotoana, maro ireo manamboninahitra ambony no nahafantatra sy nahita io vola be io. Ny mahagaga anefa ankehitriny dia manao tohivakana ny fandavana mafy fa tsy nisy mihitsy izany resaka vola avy any amin-dRavalomanana izany. Ho hita eo ihany ny tohiny. Ny mahagaga mantsy raha nanome 3,2 miliara ariary ho an’ny foloalindahy tampotampoka teo i Andry Rajoelina toarian’ny «Assises militaires» teny Ivato ny volana mey 2009, tsy nisy nanda, na nilaza fa kolikoly no nataon’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, na tsy misy sora-bola milaza izany na dia andalana iray aza tao amin’ny tetibolam-panjakana taona 2009. Mbola io taona 2009 io ihany dia narahina fampanantenana hakarina 15% ny tambin-karaman’ny foloalindahy.
 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT