Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Tsy mahatoky ny vadiny ?


  • Talata 30 Mey 2017

Miverina miditra lalina amin’ny politika sy ny fiainam-pirenena indray i Voahangy Rajaonarimampianina amin’izao fotoana raha tsy dia re sy tsy henoheno teo aloha teo.

 

Miditra an-tsehatra mihitsy ny vadin’ny filoham-pirenena ary miezaka miseho vahoaka amin’ny fanaovana asa sosialy, ankoatra ny resaka mandeha any an-dapa any momba ny tsindry bokotra isan-karazany ataony amin’ny resaka fanalana na fanendrena olom-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Efa niteraka resabe teto amin’ny firenena io tamin’ny fanesorana an’i Jean Ravelonarivo sy ny fanendrena an’i Solonandrasana Mahafaly izay voalaza fa anisan’ireo namana akaikin-dRamatoa Voahangy R. Milalao ny seraserany izy amin’izao fotoana izao ary tsy ahoany intsony ny kiana isan-karazany sy ny firesahana momba ny fiainany manokana, fa dia avelany hiteny izay miteny, miezaka hatrany kosa ny tenany maka ny fon’ny olona.

Samy nandrasan’ny maro, ohatra, ny tohin’ilay resaka nivoaka tamin’ny gazety iray izay niresaka manokana momba azy ka niresahan’io gazety io sy nametrahany fanontaniana momba ny fampirafesana nataon’ny vadin’ny filoham-pirenena. Sady tsy nanamarin-tena no tsy nandiso na koa nanenjika io orinasan-tserasera io i Voahangy Rajaonarimampianina, ka dia nangina ho azy ny resaka. Any amin’ny politika sy asa sosialy izy no miezaka manarona ireny kiana isan-karazany nahazo azy ireny raha ny fahitana azy. Tsikaritra ho tsy mahatoky ny vadiny amin’ny resaka politika, indrindra ny fanomanana ny fifidianana 2018 izy, ka miditra an-tsehatra mihitsy amin’ny fanarenana sy fanadiovana ny filoham-pirenena mba hitiavan’ny vahoaka azy sy hampandaniana indray ny filoha am-perinasa amin’ny fifidianana. Nalaza tsy tamana teto Madagasikara intsony ny vadin’ny filoha teo aloha. Tsy izay intsony no miseho fa efa miezaka mametra-tena ho olon’ny fiarahamonina sy mitakosona amin’ny vahoaka, mpizara sakafo ho an’ny mahantra, mpitsidika sy mpiaro ny zon’ny voafonja izy. Ny kabary tsara rindra hakana ny fon’ny reny sy ny vahoaka nandritra ny fetin’ny reny teo moa dia manaporofo fa renin’ny Malagasy tokoa izy. Mendri-piderana ny fihetsika toy izany ary fitaratra ho an’ny vadina manampahefana rehetra raha amin’ny hitsim-po tokoa fa tsy mifono ambadika politika, ka tratry ny hoe domina tapany handoa erany eto indray ny vahoaka Malagasy, izay mora hambakaina sy mora fitahina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT