Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Mitaky 10 tapitrisa Ar isaky ny minisitra ?


  • Zoma 03 Martsa 2017

Minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta sendra nisakafo sy nisotrosotro tamina toeram-pisakafoanana iray eto an-drenivohitra no tsy nahatam-bava ka namoaka ny tsiambaratelo.

Mandeha ny fitakiam-bola 10 tapitrisa ariary isaky ny minisitra. Ny anaran’ny vadin’ny filoham-pirenena, izany hoe Voahangy Rajaonarimampianina no ampiasain’ilay ramatoa mpitaky vola amin’izany, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Ny anton’izao fitakiam-bola izao raha araka ny fantatra dia hoe ho fanomanana sy fikarakarana ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy amin’ny 8 martsa izao, eny Mahamasina no hanatanterahana io fanamarihana ofisialy io. Mahagaga sy mahatalanjona ny toe-javatra tahaka izao, satria efa manana tetibola voafaritra hatry ny ela ny fanamarihana sy fankalazana ny andron’ny vehivavy 8 martsa ka nahoana no mbola misy fitakiam-bola hampiasana ny anaran’ny vadin’ny filoham-pirenena tahaka izao ? Inona ny tena marina ? Inona ny tiana hahatongavana ? Sa efa izay mihitsy ve no fomba fiasan’ny fitondrana HVM ? Vao misy irika kely itangosana vola dia efa ndao ndao tsy misy farany…Inoana fa hisy ny fanadihadiana atao manodidina ity raharaha ity mba ivoahan’ny tena marina. Nahoana no sahy mampiasa avy hatrany ny anaran’ny vadin’ny filoham-pirenena ity ramatoa mpitango vola any amin’ny minisitra ity ? Baiko ve no tanterahany sa izy mihitsy no manita-kevitra satria efa matim-bola loatra. Re ihany koa ankoatr’izay fa efa tena tsy voafehy intsony ireo olona miara-miasa amin-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina ka misy mihitsy ireo manaotao foana sy manondrana. Tsy dia mahagaga satria fantapantatra daholo ny momba ireo olona ireo : mpanao afera no tafiditra ao an-dapa sy mahazo fahefana. Efa fanta-daza ao an-dapa io ramatoa voalaza fa mpitango vola io, tsy mbola havoaka eto anefa ny anarany satria andrasana ny fanadihadiana hahafantarana ny tena marina. Fahendrena ho an’ny fiadidiana ny repoblika ihany koa ny manazava ny toe-draharaha tahaka izao haingana mba isorohana ny resabe mifototra amin’ny honohono sy hampisy ny mangarahara e !

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT