Politique

Vladmir Gontcharenko, Masoivoho rosianina Mbola ho avy ny tena fanapahan-kevitry ny SADC


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny raharahambahiny Yvette Sylla tao amin’ny birao fiasany etsy Anosy ny masoivoho Rosianina miasa sy monina eto amintsika Vladmir Gontcharenko, omaly. Fitsidihana fiarahabana an-dRtoa minisitra noho ny nanankinana aminy ny fitantanana ity departemanta ity ankoatra ny fanaovana tomban’ezaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta araka ny nambaran’ny masoivoho. Nanontanian’ny mpanao gazety ity farany momba ireny raharaha mafana toy ny fehin-kevitry ny SADC sy ny Parlemantera Eoropeanina. «Tsy manan-kambara momba ireny izahay satria tsy ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina i Rosia. Aleo ireo masoivoho avy amin’ny firenena mpikambana no anontaniana», hoy izy. Mihevitra kosa ny tenany fa tsy mbola nampahafantatra ny fanampahan-keviny farany ny SADC saingy zava-dehibe ka mila tohizana ny fampiharana ilay sori-dalana mba hahafahana miroso amin’ny fifidianana madio, milamina ary eken’ny rehetra. Nambarany koa fa mbola misy ny teboka sasantsasany mila fanazavana amin’iny sori-dalana iny. Farany dia vonona hanampy hatrany an’i Madagasikara amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ny firenena Rosianina amin’ny maha mpikambana ao anatin’ny GIC azy.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT