Mitohy ny fandraisana sy ny fihainoan’i Joaquim Chissano ny tolo-kevitra sy ny ahiahin’ireo hery velona eto amin’ny tany sy ny firenena hivoahana amin’ny krizy. Miditra amin’ny andro fahadimy izany amin’ity anio ity.
Niova tsy araka ny nanampoizana azy ny fisehony, satria dia mihazakazaka manao tsy omby aloha mihaona aminy ireo mpomba an’i Andry Rajoelina. Raha ny omaly izao dia namarana ny fihaonana ny Praiministra Camille Vital. Talohan’izay ry Ny Hasina Andriamanjato, praiministra lefitra misahana ny raharaham-bahiny sady lehiben’ny ankolafy Rajoelina teo aloha. Tazana koa ny jeneraly Dolin Rasolosoa, filoha lefitry ny FAR ary isan’ireo nitarika olona teny Ambohitsorohitra ny sabotsy 07 febroary 2009. Tonga teny amin’ny Carlton koa omaly ny Raiamandreny Mijoro, tarihin’ny pastera Ramino Paul, depiote teo aloha ary mpikambana AVI, na dia mihemotra ho amin’ity anio aza ny fandraisan’i Chissano azy ireo noho ny antony fandraharam-potoana. Teny amin’ny Carlton koa ireo tompon’andraikitra ara-pilaminana notendren’ny FAT, dia ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary. Ny faran’ny herinandro no nifandimby nihaona tamin’i Chissano koa ireo mpitarika fikambanana politika tao ambadik’i Andry Rajoelina tamin’ireny fanonganam-panjakana niseho ny taona 2009 ireny, toa an-dry Pierrot Rajaonarivelo, ny antoko Monima, ny avy amin’ny «Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika».
Ny firesahana amin’i Chissano dia midika fa Maputo sy Addis Abeba, koa tsy arakaraky ny vava be nataon’ny mpomba an’i Andry Rajoelina nanondro an’i Chissano ho mpanakorontana sy mpanao kolikoly ny zava-miseho ankehitriny, fa izy ireo mihitsy indray aza no manao tsy omby aloha mihaona amin’ity diplaomaty iraisam-pirenena ity. Araka ny nambaran’i Camille Vital teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, taorian’ny nihaonany tamin’i Chissano omaly hariva aza fa hihaona amin’ity farany i Andry Rajoelina anio, na dia nanizingizina aza ireo “mpanao gazety milaza ny marina” manodidina an’i Andry Rajoelina ary nohamafisin’ity farany tany Mahajanga farany teo fa tsy hihaona amin’i Joaquim Chissano izany izy. Fa ankoatra ireo dia noraisin’ny filoha Chissano nihaona taminy koa i Pr Mangalaza Eugène, praiministry ny marimaritra iraisana araka ny fifanarahana tany Addis Abeba, sy ny Pr Ranjeva Raymond, izay efa naneho ny fahavononany hitantana ny tetezamita tena izy. Toy izany koa ny FFKM, notarihin’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM) sy Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina (FJKM), nilaza ny fahitany, naneho ny fanahiany, ary niteny ny fanantenany amin’ny hoavy tamin’i Chissano. Nanamafy Mgr Ranarivelo fa “ilaina ny fitoniana sy ny fimaminantsain’ny Malagasy, fa efa betsaka izay zavatra samba sy rava teto izay”. “Maniry ny hisian’ny zavatra iombonana ny FFKM”, araka ny nambarany ihany. Hifarana ihany ny ny FAT raha izao no fizotrany. “Tetezamita nitondra krizy ny FAT, netin’i Andry Rajoelina, ary tamin’ity vao nisy Malagasy samy Malagasy nifampitifitra izany”, hoy i Raveloson Constant tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Tsy mitsaha-midangana ny vidim-piainana. “Karama namelomana olona telo teo aloha, no amelomana olona enina ankehitriny”, hoy ihany ity sendikalista ao amin’ny Tolon’ny Mpiasa ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.