Politique

“Visa” ho any Etazonia Manararaotra ny fahanginan’ny masoivoho amerikana ?


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Nahazo sa tsy nahazo “visa” ho any Etazonia i Andry Rajoelina ? Hatreto aloha dia tsy voamarina ny vaovao.

 Ankilany, ny FAT milaza fa nahazo “visa” ny filohany ary dia hoe any anatin’ny pasipaoro diplomatika izany. Tsy misy afaka hanamarina ny fisian’io “visa” anatin’ilay pasipaoro io raha tsy hoe tena hasehon’ingahy Andry Rajoelina amin’ny fotoana hahatongavany eto an-tanindrazana izany. Ny minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta FAT, Rahajason Harry Laurent, rahateo maniry ny hampisehoana izany, araka ny teniny nandritra ny fandaharana manokana nataony tao amin’ny haino amanjerim-panjakana ny alin’ny alahady 24 jolay teo. Andaniny, raha nanontaniana ny teo anivon’ny masoivoho amerikana eto amintsika dia nilaza fa voararan’ny lalàna ny fanomezana anaran’olona naka “visa” ho any Etazonia.

Misy ny sazy mifanaraka amin’izay raha toa ka mandika lalàna ny masoivoho eto amintsika. Ho an’ireo mpandinika kosa etsy andaniny dia sarotsarotra ny inoana fa nahazo ilay fahazoan-dalana hiditra an’i Etazonia ny filohan’ny FAT. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy hankatoavin-dry zareo Amerikana ny fakana fanjakana tsy tamim-pomba demokratika toy ny nataon’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy ny 17 martsa 2009. Iray amin’ireo olona 109 voasazin’ny Vondrona Afrikana ihany koa i Andry Rajoelina. Ankoatra izay, fantatry ny FAT ihany koa ny fisian’ilay lalàna mandrara ny famoahana ny anaran’ireo izay mangataka “visa” ho any Etazonia. Ny fanehoan’i Andry Rajoelina ny “visa”-ny voarakitra ao anatin’ny pasipaoro diplaomatikany no hany hanamarina ny tena fisian’izany “visa” izany.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT