Mifamotoana mandritra ny roa andro nanomboka omaly indray eny amin’ny Carlton Anosy ireo antoko politika eto Madagasikara.
Atrikasa andiany faha-3 miompana amin’ny famolavolana vinam-piarahamonina sy fandaharanasa politika ho fampanjakana ny demokrasia milamina sy tsy manavaka ity tohanan’ny programan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ity. Miainga amin’ny tetiandro fampandrosoana hatramin’ny taona 2030 mivoy ireo singa fototra miisa 5 na «5P» antoky ny fampandrosoana maharitra tsy mialonjafy moa io fifanakalozana sy adihevitr’ireo mpanao politika io dia ny izao tontolo izao, ny fiaraha-miombon’antoka, ny filaminana, ny fampivoarana ary ny mponina. Mitaky fanaovana politika vaovao mifantoka sy manome vahana tanteraka ny vahoaka ny fampandrosoana maharitra, hoy ny solontena lefitry ny Pnud monina eto Madagasikara Marie Dimond. Tsy ho sarotra ho an’ny olom-pirenena tompon’ny fahefana mantsy ny maneho safidy demokratika ao anatin’ny fifampitokisana rehefa mipetraka ny fomba fijery sy fandaharanasa mazava mifanaraka tsara amin’ny filan’ny vahoaka haroson’ny antoko politika samihafa mangetaheta hitondra firenena, araka ny fanazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.