Antony iray mahatonga ny olona manomboka sosotra amin’izao fitondrana tetezamita izao ny fizahozahoan’ireo manampahefana na mpanao politika sasany manodidina an’i Andry Rajoelina.
Tsikaritra ihany mantsy rehefa mivezivezy eny an-dalambe eny ianao na sendra mandalo amina hotely sy trano fandraisam-bahiny lehibe eto an-drenivohitra sy amin’ny manodidina an’Antananarivo, eny fa na dia any amin’ny faritra ihany koa aza, fa tena miaina tahaka ny mpanjaka mihitsy ireo olon’ny FAT, na minisitra io, na mpikambana CT sy CST na manana toerana ambony amina ministera sy sampandraharaham-panjakana, ary misy aza no tsy manana toerana mazava akory kanefa dia miedinedina eraky ny tanàna fa hoe tanan-kavanan’ny filoha, hono. Am-polony amin’izao fotoana ireo olona ambony, sivily ary misy miaramila eto amin’ny firenena no manorina tranobe etsy sy eroa izay ezahana vitaina haingana, raha ny filazan’ireo orinasa nampiandraiketana ny fanorenana. Hita mibaribary eny rehetra eny ihany koa ireo fiara raitra tsy tsara tarehy tahaka ny Hummer, ny Mercedes, ny Bmw, Alfa Romeo, 4x4 amin’ireo marika tena lafo.
Rehefa natao ny fanadihadiana dia misy mahatratra hatrany amin’ny 500 tapitrisa ariary ny vidin’ny iray amin’ireny fiara ireny, ary raha any am-pitandranomasina dia ireo tompona orinasa goavana sy mpandraharaha arabo manana solika ihany no mahatakatra sy mahasahy mividy azy ireny. Eto Antananarivo anefa dia raha miainga maraina handeha hiasa ianao dia mifanena amin’ny fiara lafo vidy be tahaka izany tsy latsaky ny 5 eny amin’ny arabe eny. Tena mahagaga fa nisy olona sasany nitrosa tamina «épicerie» tany aloha, roa taona teo amin’ny fitondrana izy dia nahavita «villa» efa ho roa sy nahazo fiara faran’izay lafo vidy ! Tsy misy koa moa ny mitory na mametraka fitarainana hany ka tsy mihetsika ny Bianco. Ny tena marina anefa dia mangoron-karena ny ankamaroan’ireo olona ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana satria mba fantatra ihany anie ny karaman’izany hoe minisitra na mpikambana ao amin’ny CT sy CST, ary ankoatr’izay mety manana orinasam-pianakaviana koa izy ireny na tompona hotely sy trano fisakafoanana fa tsy ampy hanazavana izany hoe lasa manana vola amina miliara izy ireo tao anatin’ny roa taona.
Tsy resahana eto amin’izany ny fanaparam-pahefana, tahaka ny hoe misy mibahana ny fiaranao dia mamoaka basy sy misintona ny «papier»-n’io fiara mibahana io ny mpiambina ilay «manampahefana». Nanakianana mafy ny fitondrana Ravalomanana ny hoe atao inona daholo ireo 4x4 an-jatony ampiasain’ny fanjakana sy ny olona ambony ireo ? Izao anefa mbola tena vola be mihoatra lavitra ny nividianana ireo fiara tamin’ny fitondrana teo aloha no ampiasain’ny FAT. Avy aiza marina ary io volabe io ? Volam-panjakana ve sa fanampiana avy any ivelany ? Sa nomena malala-tanana ? Sa vola vao natonta mihitsy na notrosaina ? Mila fanazavana matotra !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.