Mitohy isan’andro tsy tapaka, ankoatra ny alahady, ny hekitsy ny Ankolafy Telo ao amin’ny Magro Behoririka.
Ankoatra ny maha toerana ifanentanana azy ity, dia zary toerana ifanakalozana vaovao ihany koa ao amin’ny Magro Behoririka noho ny figiazan’ny FAT ny haino amanjerim-panjakana. “Aza manaiky hampiadiana na kiviana ianareo”, hoy ny solombavambahoaka Hery Raharisaina, raha nandray fitenenana tao ny sabotsy teo. Nanome toky ny tenany fa tsy hivadika amin’ny tolona izay efa natomboka. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany no mitolona ho amin’ny famerenana ny ara-dalàna, araka ny fanazavan’ny solontenan’Antsiranana. Mampirisika sy mankahery hatrany ireo mpiara-dia moa izy ireo, “aza manonofy lakile fa ny vahoaka no lakilen’ity krizy ity”, hoy ihany izy ireo. Nohamafisin’i Victor Hong fa na ho ela na ho haingana, na ho vy na ho vato dia tsy maintsy ny Ankolafy Telo no handresy.
Tsy maintsy taperina ny tolona satria efa tena sahirana ny vahoaka. “Tato anatin’ny 18 volana, dia tena potika tanteraka i Madagasikara ka sy azo avela ho karazan’olona toy izany no hitondra ny firenena”, hoy ihany izy. Nanentana ny rehetra ny tenany handray andraikitra. Nohamafisin’ny depiote Zafilahy Stanislas izany fanentanana ny isam-batan’olona handray andraikitra mba ho fanavotam-pirenena. Nambarany koa fa tsy maintsy miverina Ravalomanana. Hiverina izy ary hiara-hiasa amin’ny ankolafy roa (Ratsiraka sy Zafy). Tsy hamaly faty ny tenany fa hifototra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, hoy ihany ity olom-boafidin’i Vavatenina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.