Mitatra miandalana ireo sokajin’olona manatona ny Pr Ranjeva Raymond. Tombanana fa dia anisan’ireo olona resy lahatra amin’ny tetika sy paikady naroson’ity mpitsara iraisam-pirenena ity hivoahana amin’izao krizy mandazo an’i Madagasikara izao izy ireo matoa manatevin-daharana azy.
Taorian’ny nandrosoan’ny Pr Ranjeva Raymond ilay fandaharan’asa “Vonjy Aina” tao amin’ny La Rotonde Besarety tapabolana lasa izay dia tsy mitsahatra ny fahatongavan’ny olona manatona azy. Raha ny tamin’ny herinandro lasa iny dia anisan’ny tonga teny Ambaranjana misy ny trano fonenany i Velompanahy Aristide. Ity farany dia mpiara-mitarika ny COSC (Coalition des organisations de la société civile) miaraka amin’i José Rakotomavo, nikarakaka ireny Dinika Santatra ireny niaraka tamin’ny Raiamandreny Mijoro. Efa ministry ny fampianarana ambaratonga faharoa sy fanabeazana fototra tamin’ny andron’ny Amiraly koa izy ary tena mpomba tanteraka tsy misy hambahamba ny Amiraly. Ity farany rahateo no nampiakatra azy teo amin’ny sehatra politika. Nisy 12 teo, nahitana mpanao politika avy eto an-toerana sy avy any ivelany, no nihaona tamin’ny Pr Ranjeva Raymond tamin’io fotoana io. Fihaonana an-databatra boribory narahina sakafo antoandro rahateo. Na tsy nisy nipika aza ny dinika dia mazava fa resaka ekipa no tao.
Manomboka mandrafitra ny ekipa heveriny fa hiara-hiasa aminy, amin’ny fitantanana ny tetezamita tena izy mantsy ny Pr Ranjeva Raymond. Ity farany izay efa nanambara ny fahavononany hitantana ny tetezamita. Ankehitriny anefa dia iray amin’ireo mpiara-mitantana sy mpiara-mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny CNOSC (Coordination Nationale d’Organisation des Sociétés Civiles), izay hikarakara ny fanomanana ny fihaonambem-pirenena i Velompanahy Aristide. Koa asa na mbola azo eritreretina fa tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa ihany izy amin’izay ho fanapahan-kevitra horaisin’ny CNOSC manoloana izao fifanatonana ambadika izao. Ny ampitso anefa no hamaritra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.