Politique

Vehivavy TIM Miantso ny mpanao politika hifanatona ary hifanaraka


  • Talata 28 Jona 2011

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy ireo fikambanana politika eo anatrehan’ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

 Ho an’ny Vehivavy Tiako I Madagasikara dia manamafy izy ireo fa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana, izay filoha voafidim-bahoaka, an-tanindrazana tsy misy fepetra sy ny famoahana ireo sivily sy miaramila notanana am-ponja noho ny hevitra tsy mitovy amin’ny mpitondra ihany no hampilamina ny raharaha eto. Lavin’ny Vehivavy TIM marindrano, araka izany, ny fanamelohana an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny raharaha 07 febroary 2009 iny. Maniry izy ireo ny hanafainganana ny fanadihadian’ny Tribonaly Iraisam-pirenena hivoahan’ny marina, ka hamantarana izay tena tompon’andraikitra tamin’iny vonoan’olona iny. Namory mpanao gazety tao Bel’Air moa omaly ny Vehivavy TIM, nanehoan’izy ireo ny heviny ka nanaovany antso amin’ny mpanao politika rehetra mba samy handini-tena, ka hifanatona ary hifanaraka. Trotraky ny adin-tsaina sy rera-batana ary misotro ny aleoko maty mihitsy ireo vehivavy tsy mahita izay hatolony ny zanany, ny hanafiana azy sy hampianarana azy ireo noho ny fahaverezan’asa.
.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT