Tontosa ny sabotsy teo teny Ampandrana ny fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 nataon’ireo mpikambana vehivavy Tiako I Madagasikara Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.
Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fifampitaizana fandraisana andraikitra sy fifankaherezana amin’ny adidy miandry ny vehivavy eo anivon’ny antoko politika TIM. Nisy ihany koa ny fanomezana toromarika samihafa ireo mpitolona vehivavy mafana fo eny amin’ny Magro mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Voaresaka manokana tao ny raharaham-pirenena, indrindra ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018 dia ny fampandaniana ny kandida filoha teo aloha sady manorina ny antoko Tiako I Madagasikara. Efa miroso amin’ny asa miaraka amin’ny fifanentanana mifanaraka amin’io tanjona hotratrarina io ny vehivavy TIM ankehitriny, hoy ny filoha lefitry ny antoko eto Antananarivo Ramalason Olga. Dingana ihany moa ny hetsika fanairana fitakiana ny fisokafan’ny orinasan-tserasera MBS (Malagasy Broadcasting System) amin’ny filankevi-panjakana sy ny mpitondra foibe amin’izao fotoana izao. Ny haino aman-jery izay fitaovana fifampitam-baovao lehibe ho an’ny olom-pirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.