Politique

Vehivavy Tiako i Madagasikara Hamondrona ny heriny amin’izay


  • Alakamisy 04 Aogositra 2011

Niatrika fivoriambe tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) etsy Bel’Air omaly ny sampana vehivavy ao amin’ity antoko ity eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ary ny solontenan’ny avy any amin’ny Faritra ihany koa.

 Nambaran’ny solontenan’izy ireo, Rtoa Horace, fa natao indrindra hifampaherezana sy ahazoam-baovao matotra sady mazava no marina ity fihaonana ity. Ny mpikambana ao amin’ny Birao politikan’ny TIM notarihan’Atoa Roland Ravatomanga moa no nitondra ny vaovao marina sy ofisialy rehetra. Fantatra tao anatin’ity fivoriambe ity fa manana soritrasa tanterahina ny vehivavy Tiako i Madagasikara dia ny fananganana tompon’andraikitra ifotony, eo koa ny asa sosialy izay hatao toy fizarana fitaovam-pianarana sy fitafiana eny anivon’ny Fokontany eny. Ankoatra izay dia nambara fa manomana fatratra ny fitsenana ny Filoha Marc Ravalomanana ny vehivavy TIM.

Nilaza Atoa Roland Ravatomanga fa hangatahana amin’ny Kongresin’ny antoko hatao aorian’ny krizy ny hampidirana andriambavilanitra iray fahafaharatsiny, ankoatra ny filohan’ny sampana, ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny birao politikan’ny TIM. Nambarany fa antoko matanjaka ary mahenika an’i Madagasikara ny TIM. Toromarika avy amin’ny Birao politika, hoy izy, ny isian’ny fanentanana atao eny ifotony amin’izao fotoana ka ampirisiho ny olona hitsangana fa tonga ny fotoana. Novakiana bantsilana koa fa tsaho ny resaka afafy amin’ny haino aman-jery samihafa ankehitriny fa hoe efa vita ny fanitsiana ilay tondrozotra nataon’ny SADC ka ny andininy faha-20 ihany no asiana fanitsiana dia hatao ny sonia. Efa nanoratra tany amin’ny Filoha Ravalomanana ny Filoha vaovaon’ny Troïkan’ny SADC sady filohan’i Afrika Atsimo, Jacob Zuma, fa tsy “hanaiky mihitsy ny tenany raha tsy tafaverina amin’ny laoniny ny fitondrana eto Madagasikara”. Re moa fa hivory any Luanda (Angola) ny SADC amin’ny 17 sy 18 aogositra ho avy io. Ampahafantaro ireo mbola misalasala, hoy i Roland Ravatomanga fa matoa isika manohana ny ara-dalàna dia tsy te-hanan-dratsy. Nambarany am-pahibemaso fa filoha tokana ny filoha mpanorina ny Tiako i Madagasikara dia i Marc Ravalomanana. Tsy ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana intsony koa Atoa Fetison Rakoto Andrianiriana, hoy izy, fa nisafidy ny handeha irery hanao mpanelanelana hivoahana amin’ny krizy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT