Politique

«Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalŕna» Maika ny fametrahana ny Tetezamita iombonana


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Mikatso ny raharaham-pirenena. Tsy hita noanoa ny fiantraikan’ny krizy politika tsy misy fiafarany izao amin’ny fiainan’ny Malagasy. Potika ny firenena ary mahantra ny vahoaka Malagasy noho ny fizirizirian’ny fitondrana FAT hitondra samirery ny tetezamita na dia tsy eken’izao tontolo izao aza.

Ny vehivavy mitantana ny ao an-tokantrano no tena mitondra faisana sy mizaka ny fahasahiranana amin’izany. Manoloana izany dia nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Bel’Air, foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana, ny «Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalàna», ny marainan’ny 28 jolay 2010 ka nitakian’izy ireo ny fampiharana ny Satan’i Maputo sy ny tovana Addis Abeba izay efa nosoniavin’ireo filohan’ny ankolafy efatra, izay heverina fa olon-dehibe mitana ny teny nomeny. Mitaky ny famelana ireo sesitany politika hiverina malalaka an-tanindrazana sy ny famoahan’ireo gadra politika mba anisan’ny fahatoniana koa izy ireo. Eo amin’ny sehatry ny fanehoan-kevitra mitaky ny hanokafana indray ny Radio Fahazavana sy ny hamoahana am-ponja ireo mpanao gazety ireto «Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalàna» ireto. Naneho hevitra mikasika ny “Dinika Santatra” koa ireto farany ka nilazan’izy ireo fa “fandaniana ny volam-bahoaka sy fanodinkodinana ny saim-bahoaka fotsiny ny fanaovana azy io. Ny mahamaika ny vahoaka Malagasy, hoy ihany izy ireo, dia ny famahana ny olana amin’ny fametrahana ny Tetezamita iombonana mba hiverenan’ny fanampiana avy any ivelany sy hahafahana mikarakara ny fifidianana madio sy mangarahara.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT