Ambany dia ambany ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin’ny tontolo politika sy ny fampandrosoana ny firenena amin’ny ankapobeny eto anivon’ny Oseana indiana.
Raha ny eto Madagasikara manokana dia tsy misy afa tsy 8% monja ny andriambavilanitra manana andraikitra eo amin’ny sehatry ny politika toy ny Ben’ny tanàna ; solombavambahoaka na koa ministra araka ny tatitra nivoaka tamin’ny taona 2008 kanefa tsy mbola nahitana fihatsarany izany. Madagasikara sy Comores no manana ny salan’isa ambany indrindra aty amin’ny faritra Oseana indiana raha manana tombondahiny kosa i Seychelles. Ny fampakarana ho 30% ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika anefa no fanambin’ny SADC amin’ny taona 2012. Nandritra ny fivorian’ireo ministra avy amin’ny Oseana Indiana tany Maorisy ny 31 jona sy 01 jolay 2010 teo no nankatoavina ny fananganana ny tambajotra rezionaly sy nasionaly hametraka ny paikady hampitomboana ny firotsahan’ny vehivavy amin’ny politika izay antsoina ihany koa hoe : FPOI (Femme en Politique dans l’Océan Indien). “Fony ny tenako mbola Sekretera jeneralin’ny COI ny taona 2007 no efa vita io tetikasa io saingy izao vao afaka hatsangana ny tambajotra”, hoy i Esoavelomandroso Monique. Antom-pivorian’ireo vehivavy mpanao mpanao politika sy mpitantana fikambanana isan-karazany omaly tao amin’ny efitrano malalaky ny Plan Anosy indrindra ny fandinihana ny fananganana io tambajotra io.
Tapaky ny mpivory fa hisy ny fitiliana ireo andriambavilanitra mitana andraikitra ambony amin’ny asa misy azy sy amin’ireo fikambanana maro samihafa izay horesena lahatra hiditra amin’ny tontolo politika rehefa mahavita ny fiofanana momba ny fitarihana. Ny Gender Links, ny FES, ny EISA ary ny Réseau Genre moa no hizara ny traikefany amin’izy ireo raha ny fanazavan-dramatoa Rasamoelina Brigitte, filohan’ny Ampela Manao Politika. Nanamarika anefa i Esoavelomandroso Monique fa tsy mora akory ny manenjika ny fanamby fampiakarana 30 ka hatramin’ny 50% ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin’ny politika fa mila ezaka eny ifotony mihitsy. Ankoatra izay dia sarotra koa ny fisafidianana ireo andriambavilanitra manana ny kalitao ilaina amin’izany sehatra politika izany satria vehivavy mendrika no sady tian’ny mpiarabelona koa no ilaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.