Politique

Vehivavy legalista Nanao rodobe teny amin’ny Carlton


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010

Nanaitra ny maro ny rodobe nataon’ny vehivavy mpomba ny ara-dalŕna avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo ny sabotsy teo.

Niala tao amin’ny Magro Behoririka izy ireo ary feno fahavononana nilahatra namakivaky ny araben’ny fahaleovantena nihazo an’i Carlton Anosy hanatitra taratasy mirakitra ny fahitan’izy ireo ny raharaham-pirenena ankehitriny ary koa ny tolo-kevitra heverin’izy ireo hivoahana amin’izao krizy izao amin’ny ekipa mpanelanelana iraisam-pirenena tarihin’i Joaquim Chissano. Tamin’ny ankapobeny dia nizotra tsy nisy sakantsakana ny dian’izy ireo, na hita teny ho eny ihany aza ny mpitandro ny filaminana. Ny mpiandraikitra arofenitra ny filoha Chissano no nandray azy ireo ary nanolorana ny taratasy taorian’ny fanazavana sy dinika fohy nifanaovana. Sambamba indray no nahitana hetsika an-dalambe toy ity tamin’ny sabotsy ity nataon’ny vehivavy, izay hita fa mavitrika sy mafana fo tokoa ao Behoririka ao tato ho ato. Marihina fa efa nisy delegasiona avy amin’ny vehivavy legalista nihaona sy nifampiresaka nivantana nandritra ny 45 minitra tamin’ny filoha Chissano ny tolakandron’ny zoma lasa teo. 

JD
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT