Bakalôrea : Nitombo ny taham-pahafaham-panadinana bakalôrea sokajy ankapobeny tany amin’ny Faritra DIANA sy SAVA. Tafakatra 57% izany tamin’ity taona 2010 ity raha tsy nisy afa tsy 48 % tamin’ny taon-dasa. Ny sabotsy 18 Septambra no nivoaka tamim-pomba ofisialy ny voka-panadinana. Lantomampionona Olivia, tovovavy kely 11 taona, no zandriny indrindra tamin’ireo afa-panadinana manerana ny Nosy tamin’ity 2010.
Hijery ny sahirana : Hijery akaiky ireo olona sahirana ara-pivelomana monina eto an-drenivohitra ny ministeran’ny mponina. Hisy ny fananganana trano ho an’ireo tena tsy manana ankoatra ny fanomezana tany ho azy ireo hahafahany mamboly sy miompy. Ny tanjona moa dia ny hampihenana ireo olona mpatory an-dalana sy mpatory an-tsena.
Vonjy voina : Nifarana ny sabotsy teo tany Mananjary rehefa naharitra hateloana ilay fiofanana nomena ireo mpilatsaka an-tsitrapo 20 mianadahy handray anjara amin’ny vonjy voina mahazo ny mponina, toy ny fahasemporana any anaty rano, ny loza madinidika mety hanjo ny ankizy eny anelanelam-potoana... Tomponandraikitra telo avy eo anivon’ny Croix Rouge Malagasy no nanofana, novatsian’ny Croix Rouge iraisam-pirenena vola.
Fotodrafitrasa : Hasiam-panarenana ny ampahan-dalana mirefy 500 metatra ao Joffre ville, distrikan’Antsiranana II. Tontosa ny sabotsy teo ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Ben’ny tanànan’ity Kaominina ity sy ny Ben’ny tanànan’i Saint-Denis atsy La Réunion. 40.000 Euros no lelavola holaniana amin’izany haharitra telo herinandro.
Faritra mena : Lasa faritra mena ankehitriny ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Fiadanana, distrikan’Ankazobe. Tsy mitazam-potsiny manoloana izany ireo fokonolona any an-toerana fa nandray ny andraikiny tamin’ny alalan’ny fananganana ny andrimasom-pokonolona taorian’ny nahaverezan’ireo omby am-polony.
Toby fiantsonana : Hanomboka anio alatsinainy 20 Septambra ny asa fanamboarana ireo tobim-piantsonana miisa 30 an’ny zotra 119, mampitohy an’ny 67 ha amin’Ankatso. Tafiditra ao anatin’ny asa fanatsarana ny tanàna, imasoan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny ezaka ankoatra ny fanomezana modely ny zotra rehetra amin’ny maha zotra filamatra ity zotra ity.
Kung-fu Wisa : Tontosa ny sabotsy teo ny fivoriana nasionaly nokarakarain’ny kung-fu Wisa tetsy amin’ny foiben-toerany etsy Andavamba. Tazana tao avokoa ireo maître 500 isa manerana ny Nosy, notarihin’ny maître Avoko Rakotoarijaona. Anisan’ny zava-dehibe indrindra tamin’izao fivoriana izao ny fihanianan’ny samy maître ho an’ny tanindrazana.
Asa sosialy : Tontosa ny faran’ny herinandro teny amin’ny Saha mikanto eny avaratr’Antanimora ilay hetsika fitadiavam-bola nokarakarain’ny vondron’ny loholona eo anivon’ny Fjkm Ambohitantely. Fahombiazana no azo tamin’ny ankapobeny raha ny zava-misy hita teny an-toerana no nojerena. Entina hampitaovana ny fiangonana moa ny vola azo ankoatra ny fifanohanan’ny samy loholona izay marihina fa efa misotro ronono avokoa ny ankamaroany.
Ankizy : Efa mihatsara ny fiainan’ny ankizy any amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo araka ny tatitra navoakan’ny UNICEF. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra no nahafantarana izany. Na izany aza anefa mbola mila ezaka goavana indrindra ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fampitomboana ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly.
Olona folo : Olona folo no indray namoy ny ainy raha tsy latsak’izay ireo naratra mafy. Io no vokatry ny fanakorontanana nataon’ny talibans tao Afghanistan ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fifidianana solombavambahoaka notontosaina tany an-toerana. Birao fandatsaham-bato dimy no voatery nakatona vokatr’izany. Tsiahivina fa miaramila maherin’ny telo hetsy isa no indray nohetsehina tamin’io andron’ny zoma io saingy mbola tafiditra ihany ny talibans.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.