Ho an’ny loholona Arema teo aloha sady mpikambana ao amin’ny FAT, Vaovao Benjamin dia tokony ho afaka miverina soa aman-tsara eto Madagasikara amin’ny maha filoham-pirenena azy teo aloha ny amiraly Didier Ratsiraka.
Nampatsiahiviny kely ny hoe : niaiky Atoa Ravalomanana tamin’ny fihaonana voalohany tany Maputo fa tsy dia mitombina firy ny fiampangana natao tamin’ny amiraly tamin’ny 2002. Zavatra efa fanaon’ny mpitondra ihany moa izany mba ho fanilihana ireo mpifanandrina politika aminy, na ireo mpanohitra mahery fihetsika. Raha mbola itarina ny resaka, hoy i Vaovao Benjamin dia madio ny amiraly ka tsy tokony hisy hisamborana, na hanaovana fanadihadiana azy. Manampy izany moa dia manana sata manokana, izany hoe filohan’ny Repoblika teo aloha izany, ary misy mihitsy ny fifanarahana iraisam-pirenena mamaritra ny momba izany. Ny tsy tafiditra ao anatin’io angamba dia ny hoe namadika tanindrazana ilay filoham-pirenena ka tena tsy azo ekena intsony mihitsy ny famelana azy na ny fanadiovana ny heloka vitany. Amintsika Malagasy ihany koa dia manana ny toerany manokana mihitsy izany Raiamandreny izany ary atolotra azy ny haja sy ny voninahitra. Na izany aza anefa dia miankina amin’ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitondrana tetezamita ny fahatongavan’ny amiraly Ratsiraka eto, na tsia, araka ny fahitan’i Vaovao Benjamin azy.
Raha fehezina ny resaka dia anisan’ireo mbola miandry ny tena marina amin’ny fiverenan’ny amiraly an-tanindrazana i Vaovao Benjamin, ary miandry ihany koa izay mety ho fihetsiky ny FAT satria raha ny zava-nitranga hatramin’iy Maputo I no zohiana dia mpanohitra izao fitondrana izao i Didier Ratsiraka, izay miara-dalana amin’i Marc Ravalomanana sy Zafy Albert. Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka izy no mety hiverina eto, ary milaza hanao fanambarana goavana hamahana ny krizy. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe : mety amin’i andry Rajoelina sy ny FAT ve izany, sa ho sokajiana indray ho fanakorontanana sy tetika hanafoanana ny fitsapan-kevi-bahoaka, ka tsy maintsy handraisana fepetra ? Tena mbola sarotra ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.