Azo antoka fa hisy fiantraikany ara-pifandraisana ara-diplaomatika amin’ireo Masoivoho vahiny monina eto amintsika ny zava-nitranga teny Iavoloha tamin’ny alarobia heriny ireny sy ny fanambarana politika nataon’i Andry Rajoelina, hoy ny CST Vaovao Benjamin (Arema).
Ho an’ny filohan’ny Tetezamita, hoy ity CST ity, dia tena kabary politika hiringiriny fanomanana ny filantsahan-kofidiana amin’ny fifidianana izay filoham-pirenena ho avy iny nataony teny Iavoloha iny ary lojikan-javatra izany satria maneran-tany rehefa misy olona miantsoroka ny asana filoham-panjakana na dia tsy filoham-pirenena aza izy dia tsy maintsy kabary politika hatrany no atao fa izany no fitantanana firenena iray.
Ny tsininy tamin’iny fotsiny ary tena tsy tokony ho natao mihitsy fa karazana fahotana mahafaty dia ny filazan’ny teo anivon’ny Prezidansa mialoha fa hoe : tsy hisy kabary politika amin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2013 teo iny. Fanontaniana no napetrak’i Vaovao Benjamin raha toa ka mbola ilaina ny fifampihantsiana amin’izao vanimpotoana izao ? Izahay Arema tamin’ny tondrozotran’ny taona 1991 sy ny krizin’ny 2002, hoy ny CST Vaovao Benjamin, dia nanao fandeferana goavana mba ho tombontsoam-pirenena sy hisian’ny fitoniana teto amin’ity Nosy malalantsika ity dia amin’izao ve dia tsy hety intsony izany ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.