Nitohy avy hatrany etsy amin’ny Lapan’Anosikely nanomboka afak’omaly alarobia 26 desambra nitohy omaly alakamisy 27 desambra ny fivorian’ireo CST mpikambana ao amin’ny kaomisiona parlemantera isanisany mandinika an’ireo raharaha mafampana eto amin’ny firenena ka ilana fanazavana bebe kokoa.
Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny filohan’ny «comité Ad’hoc», ny Cst Alain Ramaroson, kosa fa mifototra amin’ny fandaminana anatiny amin’ny hoenti-miatrika ny fanadihadiana hatao aloha hatreto ny dinik’izy ireo, dia izay ihany. Efa nanambara tany am-piandohana izahay, hoy izy, fa tsy hisy fialantsasatra izany ho an’ireo mpikambana anaty kaomisiona izay hita fa manam-piniavana avokoa hatreto. Fa ny amin’ity resaka fandroahana olona mbola miseho lany ankehitriny amin’ny tany honenany ity no notsindriany mafy. Tokony hatsahatra amin’izay aloha izy io fa efa nisy lalàna manankery avy amin’ny filankevitry ny minisitra nametra izany, hoy izy. Fotoam-pahavaratra koa izao, ho avy ny loza voajanahary toy ny rivodoza ka mila jerena ny maha olona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.